Madatopinfo

 Flash Info

FANDAHARAN’ASA MIAHY JOVENA: Ny Akany Iarivo Mivoy no nisantarana ny « clinique mobile »

FANDAHARAN’ASA MIAHY JOVENA: Ny Akany Iarivo Mivoy no nisantarana ny « clinique mobile »

FANDAHARAN’ASA MIAHY JOVENA: Ny Akany Iarivo Mivoy no nisantarana ny « clinique mobile »
octobre 07
06:30 2020

Ilaina ny fandrindrana ny fiterahana hisorohana ny vohoka aloha loatra ho an’ny tanora sy hampihena ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza. Raha ny loharanom-baovao avy amin’ny UNFPA, ny 52,8 isan-jaton’ny mponina eto Madagasikara dia miaina ao anaty fahantrana tanteraka. Saika ny 23 isan-jaton’ny olona marary no tsy mitady fitsaboana intsony noho ny antony ara-bola. Tamin’ny taona 2018, miisa 10 isan’andro ny vehivavy maty eo am-piterahana eto amintsika ka ny 3 amin’ireo dia tanora 15 ka hatramin’ny 19 taona avokoa.

smart

Ho fanamarihana ny herinandro manerantany ho an’ny fandrindram-piterahana dia nanatanteraka fifanaraham-piaraha-miasa ny Fondation Axian sy ny UNFPA, miaraka amin’ny fanohanana ara-teknika avy amin’ny fikambanana misehatra eo amin’ny lafiny fandrindrana fiainam-pianakaviana FISA Madagasikara. Izany no natao dia entina hanatsarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza eto amintsika. Ity fiaraha-miombon’antoka ity moa dia ao anatin’ny zana-pandaharan’asa faharoa ao amin’ny Miahy Jovena. “Ny tanjona dia ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampihenana ny fahafatesan’ny reny amin’ny alàlan’ny fanamorana ny fidiran’ny olona misitraka ny fikarakarana ara-kalitao sy maimaim-poana amin’ny sehatry ny fahasalamana ara-pananahana sy fandrindrana fiainam-pianakaviana amin’ny alalàn’ny servisy eny amin’ny « clinique mobile”, hoy ny fampitam-baovao voaray. Ankoatra izay, ny “Clinique mobile” dia ahafahan’ny vahoaka lavitra hopitaly na toeram-pitsaboana fototra misitraka ny tolotra samihafa atolotry ny fikambanana FISA toy ny ara-pananahana sy fanabeazana aizana. Natomboka ny zoma 2 oktobra lasa teo teny amin’ny Akany Iarivo Mivoy Anosizato, ivon-toerana natokana handraisana ireo tsy manan-kialofana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra moa ny hetsika voalohany tamin’izany fiaraha-miombon’antoka izany. Nandritra izany, nisy ny fanentanana sy fampahafantarana ireo tombontsoa azo avy amin’ny fandrindram-piterahana. Nahazo fanazavana maro mikasika izany ihany koa ireo vehivavy, lehilahy ary tanora manodidina ny 100 tamin’izany ary afaka nisitraka ny fomba fanabeazana aizana nifanaraka tamin’ny filany izy ireo. Manaraka ny fenitra amin’ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana ao amin’ity « clinique mobile » ity. Raha tsiahivina, ny Miahy Jovena dia fandaharan’asa ao amin’ny Fondation Axian ary novatsian’ny orinasa Jovena an’ny vondrona Axian.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930