Madatopinfo

 Flash Info

ONEP: Tokony hitovy avokoa ny faharetan’ny fampianarana 2022-2023 ho an’ny sekoly rehetra

ONEP: Tokony hitovy avokoa ny faharetan’ny fampianarana 2022-2023 ho an’ny sekoly rehetra

ONEP: Tokony hitovy avokoa ny faharetan’ny fampianarana 2022-2023 ho an’ny sekoly rehetra
juin 03
14:36 2022

Nitondra fanazavana mikasika ny tetiandrom-pampianarana amin’ny taona ho avy ny Talen’ny Ofisy nasionaly misahana ny sekoly tsy miankina (ONEP), Marcellin Tsarasidy, nilaza izy fa tokony hiara-hanomboka ny 05 septambra 2022 sy hiara-hifarana ny 23 jona 2023 ny fampianarana ho an’ny sekoly rehetra amin’ny taom-pianarana 2022-2023 fa tsy samy hanana ny azy intsony. Hizara ho roa volana miisa dimy io taom-pianarana io ary hahatratra sy ho feno 900 ora ny ora hampianarana. Izany ihany koa no navoitran’ny Talen’ny ONEP eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, teny Analakely ny zoma 03 jona 2022. Araka ny fanampim-panazavana nomen’ity tompon’andraikitra ity dia efa nisy ny dinika sy ny fankatoavana io tetiandrom-pampianarana io niarahan’ny eo anivon’ny MEN sy ireo vondron’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana nanatanteraka. Nohamafisiny ihany koa fa raha misy tsy te-hanaraka sy hanaja io tetiandrom-pampianarana ho amin’ny taom-pianarana 2022-2023 io dia mila manao fangatahana manokana amin’ny MEN, fa izany no voafaritry ny lalàna velona araka ny didy hitsitsivolana laharana 98 433 andininy faha-10. Ankoatra izay dia nanentana ireo ray aman-dreny sy mpianatra ho mailo ary hanamarina sy hanadihady tsara mba tsy ho voafitaka sy ho very vola manoloana ny fiparitahan’ny dokam-barotra mikasika ireo sekoly sasany milaza fa manana fankatoavana ara-panjakana (école homologuée) any amin’ny tambazotran-tserasera, ihany koa ity mpitantana ny ONEP ity. Nohazavainy fa tsy azo lazaina ho ara-dalàna sy manana fankatoavana ara-panjakana ny sekoly iray raha tsy manana fahazoan-dalana hampihatra rafi-pampianarana avy amin’izay firenena ambarany fa arahany, avy amin’ny Masoivohon’ilay firenena miaraka amin’ny fahazoan-dalana hisokatra avy amin’ny MEN amin’ny alalan’ny ONEP. Efa misy ankehitriny ny fidinana ifotony tanterahan’ny avy eo anivon’ny ONEP mba hitsirihana sy hanarahana maso akaiky izany. Manoloana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eny anivon’ny sekoly sy ny fisian’ny tsy fandriam-pahalemana eo amin’ireo tanora misy ankehitriny dia efa misy ny fiaraha-miasan’ny MEN amin’ireo mpitandron’ny filamianana. Na dia eo aza anefa izany fepetra efa noraisina izany dia mbola nanentana ireo mpianatra sy ray aman-dreny mba samy ho mailo sy hitandrina hatrany ny Talen’ny ONEP.

H.N

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031