Madatopinfo

 Flash Info

STARTIMES: Hisitraka tolotra vaovaobe ny mpanjifany

STARTIMES: Hisitraka tolotra vaovaobe ny mpanjifany

STARTIMES: Hisitraka tolotra vaovaobe ny mpanjifany
novembre 21
08:29 2023

« Startimes, ovay ilay fijery », araka io teny filamatra io dia tsy mitsahatra manome tolotra arahan’ireo fandaharana marobe iraisampirenena azo isafidianan’ny mpanjifany ny Startimes hatramin’izay. Tahaka ny nahafantaran’ny rehetra sy nankafizan’ny maro azy, mbola mitohy hatrany ny Novelas amin’ny fiteny malagasy. Ohatra amin’izany ny Novelas filipiana mitondra ny lohateny hoe: « Deux coeurs », andian-tantara mitohy ahitana olona roa mitovy endrika nefa samy manana ny fiainany. Mandeha ao amin’ny Gasystar ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma amin’ny 7 ora sy sasany hariva izany ary ao amin’ny Up TV kosa ny Novelas Thaïlandaise nadika amin’ny fiteny malagasy hatrany izay mitondra ny lohateny hoe: « Onjam-piainana ». Azon’ny mpanjifa Startimes arahana ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma manomboka amin’ny 8 ora sy 20 minitra ary ny sabotsy sy ny alahady tapak’andro maraina sy tapak’andro hariva kosa ny famerenana izany.
Ho an’ireo mpankafy ny taranja fanatanjahantena ao amin’ny Startimes satria hotantaraina mivantana ao amin’ny Gasystar ireo lalao malaza Bundesliga isaky ny faran’ny herinandro ary azon’ny rehetra tsidihana ao amin’ny pejy facebook Startimes ny fandaharam-potoana rehetra”, hoy ny tompon’andraikitra nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety ny alatsinainy 20 Novambra, Sissi Nomenjanahary. Tsy ho latsa-danja ihany koa ny mpitia baolina lavalava, hahazo tombony izy ireo satria hanaraka mivantana ny lalao hiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sokajy lehilahy manomboka ny 26 Novambra hoavy izao. Ho an’ireo mpankafy ny horonantsary mitohy indiana dia hisokatra ao amin’ny Startimes ny chaîne vaovao antsoina hoe: « Passion Bollywood » amin’ny sarany manomboka amin’ny 25.000ariary sy 45.000 ariary. Izany tolotra izany moa dia hiampy ilay tolotra Noely, raha toa efa ao anatin’ny bouquet Basic/Smart ny mpanjifa izany ny hoe 25.000 ariary manampy 5.000 ariary na 30.000 ariary no aloha dia afaka misitraka ny bouquet Classic/Super izy, izany hoe ireo chaîne rehetra ao anatin’ny bouquet 45.000 ariary. Raha toa kosa ka efa ao anatin’io bouquet Classic io ka manao « réabonnement » 2 volana aloha miaraka dia hahazo 10 andro mamaimpoana fanampiny. Ankoatra izay, nitondra fanazavana ny tompion’andraikitra eo anivon’ny Startimes fa miato kely aloha ny fanarahana ilay tantara mitohy « Brothers » fa kosa mampanantena izy ireo fa mbola ho avy ny tohiny.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930