HERINANDRON’NY SERASERA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA: Hotanterahana eny Vontovorona ny 11 ka hatramin’ny 14 Aprily 2023
Fitaovana iray ahafahana mitondra fivoarana sy fampandrosoana eo amin’ny firenena ny fampiroboroboana ny fifandraisan-davitra. Amin’ny ankapobeny, ny asa sy fianarana dia tsy afa-misaraka amin’io sehatra io sy ny teknolojia. Mandray anjara mavitrika ao anatin’izany fifandraisan-davitra izany ny Telma Madagascar ka izany no nahatonga ity orinasa ity hanomana ny « herinandron’ny serasera sy ny fifandraisan-davitra » izay nampahafantarina nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly, teny amin’ny Campus Telma Andraharo. Hanomboka ny talata 11 Aprily ka hifarana ny zoma 14 Aprily ho avy izao ny hetsika ary eny amin’ny ESPA Vontovorona no toerana hanatanteraha izany. Araka ny fandaharam-potoana mandritra ireo 4 andro ireo kosa, dia natokana ho an’ny atrikasa sy famelabelaran-kevitra iiarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka sy famaranana ny lalao E-Sports ny andro voalohany, ny alarobia kosa no hisy ny fifaninanana tetikasa madinika izay hanasongadinana ny asa famoronan’ny tanora malagasy, hitohy amin’ny zaridaina sy ny tontolony sy hanatanterahana ny lalao famaranana ara-panatanjahan-tena « inter-TCO » ao amin’ny CNAPS Vontovorona ny andro fahatelo. Ho an’ny andron’ny zoma kosa, hisy ny lanonana lehibe antsoina hoe « Get pround to be». Misokatra ho an’ny daholobe moa ny « herinandron’ny serasera sy ny fifandraisan-davitra » ary tsy hisy ny vidim-pidirana.
Ankoatra izay, nanambara ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Telma Madagascar, Miary Razafimahefa fa hisy loka hozarain’ny Telma ho an’ireo mpandray anjara mendrika indrindra mandritra ny fifaninanana ahafahana manohana sy mampavitrika ny tanora malagasy. Ho an’ny mpianatra manaraka ny lalam-piofanana fifandraisan-davitra ao amin’ny ESPA Vontovorona amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny Telma, hahazo tombony manokana izy ireo satria hisitraka fianarana arak’asa sahady ny mpianatra manomboka amin’ny taona voalohany ary hitohy hatrany izany hatramin’ny taona fahadimy. Izany no hatao dia hanazarana azy ireo amin’io sehatry ny fifandraisan-davitra io mba tsy hanavao intsony rehefa tafiditra miasa, hoy hatrany ny tompon’andraikitra.
Mickah R.