Madatopinfo

 Flash Info

BANKY BMOI: Efa misokatra ho an’ny mpanjifa ny GAB vaovao eny Alarobia

BANKY BMOI: Efa misokatra ho an’ny mpanjifa ny GAB vaovao eny Alarobia

BANKY BMOI: Efa misokatra ho an’ny mpanjifa ny GAB vaovao eny Alarobia
juin 12
07:11 2020

Tsy mitsahatra ny manome fahafaham-po ho an’ny mpanjifa hatrany ny banky BMOI hatramin’izay taona maro nijoroany izay, na amin’ny lafiny ara-potodrafitrasa izany na eo amin’ny lafin’ny ara-kalitaon’ny tolotra ao aminy sy ny maro hafa. Nisokatra nanomboka ny talata 9 Jona lasa teo mantsy ny GAB (Guichet Automatique Bancaire) vaovaon’ny banky BMOI eny amin’ny Lalan’i Papa etsy Alarobia izay hita ao amin’ny tranombarotra Sanifer. 26 isa araka izany ny fitambaran’ny GAB BMOI manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao. Raha ny fampitam-baovao voaray, miezaka ny manakaiky ny mpanjifa hatrany ny BMOI satria eny Alarobia ihany koa dia isan’ireo toerana be olona miasa sy mifamezivezy. Araka ny fantatra, misokatra aminy ora mitohy manomboka amin’ny 7 ora sy sasany maraina hatramin’ny 3 ora tolakandro ity GAB ity raha ny alatasinainy hatramin’ny zoma, ny asabotsy kosa dia amin’ny 7 ora sy sasany maraina hatramin’ny 12 ora sy sasany atoandro. Hahazo tombony tokoa ireo mpanjifa eny an-toerana sy ny manodidina amin’ity fisian’ny GAB BMOI vaovao ity, ho afa-pahasahiranana izy ireo satria tsy voatery handeha lavitra intsony vao afaka misintona vola.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930