Madatopinfo

 Flash Info

ADY AMIN’NY COVID-19: Nanolotra fitaovana maro tany Moramanga ny ONG MEDAIR

ADY AMIN’NY COVID-19: Nanolotra fitaovana maro tany Moramanga ny ONG MEDAIR

ADY AMIN’NY COVID-19: Nanolotra fitaovana maro tany Moramanga ny ONG MEDAIR
août 22
08:43 2020

Maro ny adidy aman’andraikitra sahanin’ny mpitandro filaminana na eo anivon’ny firenena izany na eo anivon’ny fiaraha-monina indrindra amin’izao ady amin’ny valan’aretina Covid-19 izao. Mifanerasera mivantana amin’ny olona maro, mirotsaka an-tsehatra sy midina an-kianja amin’ny fotoana rehetra. Izany indrindra no nahatonga ny ONG MEDAIR Madagascar niaraka tamin’ny UNICEF nanolotra fitaovana famendrahana fanafody ho an’ny Sekoly ambonin’ny Zandarmaria (ESGN) sy ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarmariam-pirenena ao Moramanga. Tonga nanolotra izany fitaovana maro izany teny an-toerana ny zoma 21 Aogositra lasa teo ny ekipan’ny ONG Medair. Ny Kolonely, Lefitry ny Komandin’ny sekoly ambony kosa nanamafy nandritra ny fandraisana ireo fanomezana ireo fa zava-dehibe ho azy ireo izao fanohanana izao. Nankasitraka manokana ny fihetsika firaisan-kina sy fiaraha-mientana nasehon’ny ONG MEDAIR ihany koa ny tenany indrindra amin’izao vanim-potoana hiatrehana ny Coronavirus izao. Nandritra izay volana maromaro nahatongavan’ity valan’aretina ity teto amintsika tokoa mantsy, dia tsy nitsahatra nitondra ny anjara birikiny tamin’ny alalan’ny fanomezana tohana sy hetsika isan-karazany ny ONG MEDAIR na tany amin’ny Distrikan’i Moramanga izany na tany amin’ny toeran-kafa.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930