Madatopinfo

 Flash Info

FITRANDRAHANA SY FANONANDRANANA HARENA AN-KIBON’NY TANY: Miabo ny filàna manerantany ny nickel izay vokarin’Ambatovy

FITRANDRAHANA SY FANONANDRANANA HARENA AN-KIBON’NY TANY: Miabo ny filàna manerantany ny nickel izay vokarin’Ambatovy

FITRANDRAHANA SY FANONANDRANANA HARENA AN-KIBON’NY TANY: Miabo ny filàna manerantany ny nickel izay vokarin’Ambatovy
mai 15
10:20 2022

Laharana voalohany ! Io no kalitaon’ny cobalt sy nickel Malagasy izay vokarin’ny orinasa mpitrandraka harena ankibon’ny tany Ambatovy, eo anivon’ny iraisam-pirenena. Raha ny loharanom-baovao marim-pototra, anisan’ny laharana voalohany ka betsaka mpanjifa ao amin’ny tsena iraisam-pirenena ao Londres ny vokatr’i Madagasikara, indrindra ny nickel. Manodidina ny 30.000 dolara amerikanina ny taonina nanomboka ny tapaky ny volana mey teo. Taorian’ny krizin’ny koronaviriosy no nampiakatra tsikelikely izany sandan’ny nickel izany. Saingy voalaza fa tsy mbola mahasarona ny faty antoky ny fitrandrahana sy ny fanondranana ary ny varotra nandritra ny taona maro izay nampitotongana izay tsy izy ny vidin’ny vokatra. Araka ny lalànan’ny tolotra sy ny tinady, ankoatra ny tsy fisian’ny fitrandrahana nandritra ireo fihobohana, nanampy trotraka koa ny adin’ny Rosia sy Ukraine ka nampahazo vahana ny filana iraisam-pirenena.
Singa ho fangaro amin’ny vy tsy ho mety arafesina, vatoaratra finday sy fiara no ampiasana nickel. Efa miroso tsikelikely amin’ny tsy fampiasana solika mantsy ny firenena firenen-dehibe maro, indrindra ny tandrefana. Ny 2035 no taona vina ho aotra ny fampiasana solika amin’ny fitanterana ary hiroso tanteraka amin’ny fiara mandeha herinaratra izy ireo. Ny 8 marsa teo, nahatratra hatramin’ny 100.000 dolara ny taonina. Voalaza fa nandritra io andro manerantany ho an’ny vehivavy io no nanangonan’ny firenena Sinoa nickel zavontany ka nividianany ambongadiny ny vokatra rehetra. Voatery nandray fepetra ny iraisam-pirenena ka nakatona ny tsena nanomboka ny 8 hatramin’ny 17 marsa. Tapaka nandritra izany fa ajanona manodidina ny 40.000 dolara ny iray taonina, tsy mihoatra na latsaky ny 15% amin’izay ny fiovaovan’ny vidiny. Miakatra ny vidin’ny nickel fa miakatra arak’izany koa ny akora fototra tahaka ny tany haboka, ny arintany, ny solifara izay afarana any Afrika atsimo sy Moyen Orient. Midika izany fa tsy dia lasa lavitra ihany ny tombony.
Sary: Ambatovy

Haja Nirina

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930