Madatopinfo

 Flash Info

F.G.C.E: “Sembanan-drahona ny asam-panjakana”

F.G.C.E: “Sembanan-drahona ny asam-panjakana”

F.G.C.E: “Sembanan-drahona ny asam-panjakana”
mai 11
09:30 2022

“Latsaka an-katerena ny firenena indrindra eo amin’ny lafiny fitantanana ny raharaham-panjakana”, hoy ny Fédération des Syndicats des Grands Corps de l’Etat na FGCE nandritra ny fampiantsoana mpanao gazety teny Antaninarenina ny tolakandron’ny talata 10 May. Manoloana izany, hanarina ny tsy rariny izay mitranga ao anatin’ny sehatry ny asam-panjakana ny FGCE, federasiona izay hivondronan’ny Grands Corps rehetra eto Madagasikara: ny Synad, Inspecteurs des Impôts, Commissaire de commerce, Inspecteur de domaine, Inspecteur de travail, Agent diplomatique et consulaire, Administrateur de service financier, Ingénieur de service topographique, Inspecteur de trésor, Magistrats, Inspecteur d’Etat, Inspecteur d’administration pénitentiaire. « Mahay izahay ary nianatra teny amin’ny Sekoly ambony manofana ho mpiasam-panjakana ary sahy mijoro handray ny andraikitra tandrifinay. Tsy tokony hafangaro amin’ny politika mihitsy ny toerana eo amin’ny sehatry ny asam–panjakana », hoy ny mpitondra tenin’ny FGCE, Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona. Nambaran’ity federasiona ity ny tsy tokony hitsabahan’ny mpanao politika ny asa sahanin’ireo teknisiana izay mahatonga ny firenena tsy handroso. Nohamafin’ny FGCE ihany koa fa tsy hanongan’olona, tsy manompo olona na antoka akory no tanjon’izy ireo fa hanitsy ary hamerina ny hasin’ny administratera sy ny asam-panjakana. Ka noho izany, mitaky fitoviana ny mpiasam-panjakana ambony izay mivoaka ny sekoly eto Madagasikara izy ireo, na fitoviana amin’ny lafiny fitantanana izany na ny tombotsoa.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930