Madatopinfo

 Flash Info

TELMA SEMI-MARATHON: Eto Antananarivo no hanatanterahana ny andiany fahatelo

TELMA SEMI-MARATHON: Eto Antananarivo no hanatanterahana ny andiany fahatelo

TELMA SEMI-MARATHON: Eto Antananarivo no hanatanterahana ny andiany fahatelo
mars 16
08:45 2023

Raha tany Mahajanga ny andiany voalohany, Tolagnaro kosa no nandray ny andiany fhharoa tamin’ny Telma semi-marathon, Antananarivo kosa no hanatontosana ny andiany fahatelo. Araka ny nampahafantarina nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny Campus Telma Andraharo omaly, ny alahady 26 martsa ho avy izao no hanatanterahana ity hetsika ara-panatanjahantena ity. Toa izao ny fizotriny araka ny fanazavan’ny Tale Nasionaly lefitra misahana ny yaranja hazakazaka, hiainga eo amin’ny Stade Alarobia ny semi-marathon, ary mankany Ambohimahitsy Ambohimangakely, mifarana ao Alarobia ihany. Mamdritra ity fifaninanana ity ihany koa no hifantenana iteo handray anjara amin’ny Lalaon’ny Nosy eto anivon’ny Ranomasimbe Indiana izay hatao eto Madagasikara amin’ity taona ity, raha ny nambaran’ny mpikarakara. Ho an’ny sokajin-taona 18 ka hatramin’ny 19 taona, hisy ihany koa ny 20 – 34 taona, ary ny mihoatra ny 35 taona. Ho an’ny sokajy  » Kids Atletics  » izay ahitana ankizy 8 ka hatramin’ny 10 taona kosa dia efa misy ny lamina sy fifanarahana miaraka amina sekoly efa niomana tamin’izany noho ny fahateren’ny fotoana..Miisa 300 moa ireo. Araka ny fanampim-panazavana hatrany, miisa 300 ny mpandray anjara andrasana mandritra ity hetsika ara-panatanjahantena, taranja hazakazaka ity. Mbola mitohy hatramin’ity faran’ny herinandro ity ny fisoratana anarana ho an’ireo maniry ny handray anjara amin’ny Telma semi-marathon, raha ny voalazan’ny tompon’andraikitra.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930