Madatopinfo

 Flash Info

COSMOS MEGASTORE TANJOMBATO: Nahitana fihenam-bidy hatramin’ny 100% nandritra ny fanokafana

COSMOS MEGASTORE TANJOMBATO: Nahitana fihenam-bidy hatramin’ny 100% nandritra ny fanokafana

COSMOS MEGASTORE TANJOMBATO: Nahitana fihenam-bidy hatramin’ny 100% nandritra ny fanokafana
novembre 29
05:32 2021

Niverina nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 27 Novambra lasa teo ny tranombarotra Cosmos eny Tanjombato. Hita taratra ny fiovana goavana ao amin’izany, raha kelikely ny toeram-pivarotana teo aloha, nihitatra hatramin’ny 700 m2 kosa izany amin’izao fotoana izao. Nahasarika olona marobe ity fisokafan’ny Cosmos ity ary vao maraim-be dia efa nisy niandry laharana hanjifa ny entana. Na izany aza, nanaraka ny fandaminana ary nanaja ny fepetra ara-pahasalamana avokoa ny mpanjifa rehetra. « Niavaka ny tolotra homaninay ho an’ny mpanjifa amin’ity anio ity satria misy ny fihenam-bidy hatramin’ny 100% izany hoe miverina amin’ny mpividy ihany ny vidin’ny entana nojifainy », hoy ny tompon’andraikitra ara-barotra eo anivon’ny Cosmos Megastore Tanjombato, Narindra Andiamalala.
Ankoatra izay, nisy ihany koa « goodies » sy fanomezana isan-karazany natokana ho an’ny mpanjifa nandritra io tontolo andron’ny sabotsy io. Ahitana entana maro be ao an-toerana, saika hita ao avokoa mantsy ny fitaovana fampiasa ao an-dakozia rehetra toy ny vata fampangatsiahina amin’ny endriny sy karazany samy hafa, seza sy latabatra fisakafoana, fatana sy ny maro hafa. Misy ihany koa fahitalavitra, radio, fera fipasohana, fitaovana fatao ao amin’ny trano fandraisam-bahiny. Tsy diso anjara ao amin’ny Cosmos Megastore Tanjombato ihany koa ireo fitaovana manaraka ny teknolojia vaovao tahaka finday sy solosaina hiaka farany.
Ho fanomezana fahafaham-po ho an’ny mpanjifa, nisy fanentanana isan-karazany nandritra izany toa ny fandraisana anjaran’ny mpanankato fanta-daza Rak Roots. Tsiahivina moa fa tranombarotra Cosmos faha-14 manerana ny Nosy ity eny Tanjombato ity.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930