Madatopinfo

 Flash Info

M’HETSIKA MVOLA: Hanome lanja ny tanora sy ny fanatanjahantena eto an-drenivohitra

M’HETSIKA MVOLA: Hanome lanja ny tanora sy ny fanatanjahantena eto an-drenivohitra

M’HETSIKA MVOLA: Hanome lanja ny tanora sy ny fanatanjahantena eto an-drenivohitra
novembre 11
11:30 2020

Tontosa ny talata 10 Novambra teny amin’ny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Fondation Axian sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mikasika ny vinan’asa antsoina hoe: « M’hetsika MVola ». Miompana amin’ny fametrahana fotodrafitrasa vaovao hanaovana fanatanjahantena eny anivon’ny Fokontany eto Antananarivo renivohitra ity fifanarahan’ny roa tonta ity. Ny MVola moa no mpamatsy vola amin’izany ary haharitra 4 taona ny fifanarahana. Araka ny fampahafantarana, eny Anosibe Angarangarana no hanombohana ny fanatanterahana izany vinan’asa lehibe izany. Isan’ny tanjona ankapobeny amin’ny M’hetsika MVola moa ny hampiroboroboana ny fanaovana fanatanjahantena mba hanatsarana ny lafiny ara-panabeazana, sy ara-tsosialy, ary ara-pahasalamana. Raha ny fantatra, mikendry indrindra ireo tanora an-tanàn-dehibe avy amin’ireo fianakaviana sahirana ity vinan’asa ity. Maro ny vokatra andrasana amin’izany toy ny fanatsarana ny fampidirana zazavavy sy vehivavy ao amin’ny fiarahamonina, eo ihany koa ny fampihenana ny tsy fitoviana mifandraika amin’ny miralenta na ny fiaviana na koa ny fahasembanana. Ankoatra izay, tafiditra ao anatin’ny fifanarahan’ny Fondation Axian sy ny CUA ihany koa ny fampiofanana amin’ny « animation sportive » sy « arbitrage », ny fametrahana karazana fialamboly eny amin’ireo zaridainan’ny CUA sy ny fanentanana isan-karazany manodidina ny tanora sy ny fanatanjahantena. Hiteraka fiovana goavana eo amin’ny fiaraha-monina eto an-drenivohitra araka izany ny fisian’ity M’hetsika MVola ity ary hitondra vokatsoa maro eo amin’ny andavanandron’ny tanora.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930