Madatopinfo

 Flash Info

DOLA BEACH VATOMANDRY : Hiavaka ny andiany faha-11 hotontosaina ny 7 ka hatramin’ny 10 aprily ho avy izao

DOLA BEACH VATOMANDRY : Hiavaka ny andiany faha-11 hotontosaina ny 7 ka hatramin’ny 10 aprily ho avy izao

DOLA BEACH VATOMANDRY : Hiavaka ny andiany faha-11 hotontosaina ny 7 ka hatramin’ny 10 aprily ho avy izao
mars 23
17:36 2023

Notanterahana teny amin’ny Campus Telma Andraharo ny fampahafantarana ny hetsika ara-panatanjahantena sy ara-koltoraly antsoina hoe : « Dola beach » izay hotanterahana eo amin’ny tora-pasik’i Vatomandry mandritra ny 4 andro. Miditra amin’ny andiany faha-11 amin’ity taona ity io hetsika io amin’ity taona izay hanomboka ny zoma 7 ka hatramin’ny alatsinain’ny Paska 10 aprily ho avy izao. Toy ny isan-taona, ahitana lalao, hetsika ara-panatanjahantena sokajy lahy sy vavy, hisy ihany koa ny fanentanana maro samy hafa mandritra izany. Hisy ny fifaninanana ara-panatanjahantena Telma beach soccer, Dola kopaka, adin’akoho, tologna, ady seza, dola ontsagna, ny baolina lavalava amin’ny torapasika, vakodrazana, mandritra ity andiany faha-11 ity.
« Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny fiadiana ny tompon-dakan’i Madagasikara sy ny Lalaon’ny Nosy eto anivon’ny Ranomasimbe Indiana amin’ny taranja Beach soccer isika amin’izao, ka mandritra ny Dola beach no hifantenana izay handrafitra ny ekipa hisolotena an’i Vatomandry », hoy ny Filohan’ny fikambanana Dola beach Vatomandry, Lay Mein Alexandre.
Mandritra ny Dola beach andiany faha-11, hisy ny fifaninanana hatsara-tarehy amam-bika « Miss et Mister Dola beach ». Hampiseho sy hampahafantatra ny fitafy nentim-paharazana isam-paritra ihany koa ny mpandray anjara sy ny fikambanana amin’ny alalan’ny diabe. Raha ny fandaharam-potoana kosa, hy zoma 7 aprily no hanatanterahana ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny hetsika amin’ny fandraisam-pitenenan’ireo manam-pahefana. Ny sabotsy no hanatontosana ny lalao fifanintsanana amin’ny lalao ara-panatanjahantena toy ny Telma beach soccer. Ny fanolorana ny amboara ho an’ireo mpandresy kosa ny alahady 9 aprily. Ankoatra izay, hisy seho an-tsehatra handraisan’ny mpanakanto isan-karazany anjara ary ny alatsinainy no hanolotra seho goavana hiarahana amin’ny mpanakanto sady Ambasadaoron’i Telma, Wawa ary ny hariva no hanatanterahana ny lanonam-pamaranana.

M.R

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930