Madatopinfo

 Flash Info

FINOANA SILAMO: Mibahan-toerana ny asa sosialy ho fanampiana ny mpiray tanindrazana

FINOANA SILAMO: Mibahan-toerana ny asa sosialy ho fanampiana ny mpiray tanindrazana

FINOANA SILAMO: Mibahan-toerana ny asa sosialy ho fanampiana ny mpiray tanindrazana
avril 24
01:42 2023

Manan-danja sy tantara ho an’ny mpino silamo rehetra ny famaranana ny volana Ramadan na « Eïd el-Fitr ». Niavaka ny fankalazana ity andro lehibe ity ho an’ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy iombonan’ny Fiombonamben’ny finoana silamo eto Madagasikara tamin’ity taona 2023 ity izay notanterahana teny amin’ny Radisson Blu Ambodivona ny harivan’ny zoma 21 Aprily lasa teo. Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny fandraisam-pitenenany fa tsy manavaka finoana ny fitondrana tarihany ary manaja ny fahasamihafana. « Samy malagasy isika ary izany no nahatonga ny fitondram-panjakana namoaka ny didim-panjakana milaza fa andro tsy fiasana nefa handraisan-karama ny Eïd el-Fitr », hoy ny Filoha. Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny firenena tokoa mantsy ny mpino silamo ary efa maro ny asa sosialy vitany teto Madagasikara. Ohatra amin’ireny ny fanarenana sekolim-panjakana simba na rava nandritra ny fandalovan’ny rivodoza. Manampy ny fianakaviana sahirana ara-pivelomana ihany koa izy ireo na mpino silamo izany na hafa amin’ny alalan’ny fanomezana sakafo sy ny fanohanana ara-panabeazana. Manamafy izany ny Filohan’ny Fikambanan’ny Silamo eto Madagasikara, Chiekh Abdoul Hady: « Hampiakatra ny taham-pahaizana no kendren’ny mpino silamo. Raha te-hiala amin’ny fahantrana dia tsy maintsy hampiroboroboina aloha ny lafiny kalitaom-panabeazana ».
Nanasongadina ity famaranana ny volana Ramadan ity ny nanasan’ny FSM an’i Mompera Pédro Opeka izay miahy ny olona sahirana, zaza kamboty sy tsy manan-kialofana eny amin’ny Akamasoa. Manatanteraka asa soa ho azy ireo ny Fikambanana ho mariky ny fihavanana sy ny firaisankina hatrany. Ankoatra izay, isan’ny nanamarika ny fankalazana ity « Eïd el-Fitr » ity ny nanoloran’ny FSM mari-pahatsiarovana sy Coran ho an’ny Filohan’ny Repoblika. Nohamafisin’ny Filohan’ny FSM hatrany ihany koa fa tsy manao politika ny Fikambanana fa miara-miasa amin’ny fitondrana izay mijoro ary manaja ny rafitra ao aminy.
Nanatrika ity andro lehibe ity moa ny solontenan’ny mpikambana ao amin’ny Governemanta, minitry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, Elia Béatrice Assoumacou. Teo ihany koa ireo Masoivohovo miasa sy monina eto Madagasikara ary ireo solontenan’ny fikambanana hafa.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930