Madatopinfo

 Flash Info

AFHAM: Hampivelatra ny seha-piharian’ny mpikambana ao aminy

AFHAM: Hampivelatra ny seha-piharian’ny mpikambana ao aminy

AFHAM: Hampivelatra ny seha-piharian’ny mpikambana ao aminy
mars 08
19:14 2022

Amin’ny maha andro iraisampirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ny 8 martsa, nanamarika izany fotoana izany AFHAM ( Association des Femmes Handicapées de Madagascar) teny Faravohitra. Nampahafantarina nandritra izany ny fiaraha-miasa amin’ny gazety mivoaka isan’andro « Jejoo » izay hanome sehatra fanehoan-kevitr’ireo vehivavy manana fahasembanana isan-kerinandro. Nivoitra nandritra ny fankalazana ny 8 martsa io ihany koa ireo tetikasa hotanterahan’ny AFHAM sy ny fanamafisam-pifanaraham-piaraha-miasa amin’ny Handicap International – Humanity & Inclusion momba ny fanohanana ireo vehivavy manana fahasembanana ireo. Ho fampiroboroboana ny seha-piharian’ny vehivavy sembana ara-batana miisa efatra ao amin’ity fikambanana ity, notolorana tamin’ny fomba ofisialy « bouffe mobile » iray izy ireo. Efa nanaraka fiofanana momba ny tontolon’ny fivarotana sakafo masaka ireo vehivavy izay nisitraka ny tolotra ireo. Tanjona amin’izany ny hanitarana ny asa fiveloman’ny vehivavy manana fahasembanana mba ho takatry ny fiaraha-monina ny lanjan’izy ireo. Tsy vao izao no nisy fampivelarana ny asa fiveloman’ny vehivavy manana fahasembanana ao amin’ny AFHAM, nandritra izay taona maro nijoroany izay mantsy dia tsy nitsaha-nitombo ny tetikasa sy ny hetsika tanterahan’ny fikambanana entina hahatongavana amin’ny tanjona. Manamafy izany ny Filoha nasionalin’ny AFHAM, Fela Razafinjato: « Manodidina ny 600 no isan’ireo mpikambana vehivavy manana fahasembanana manerana Faritra 19 eto Madagasikara ary hisitraka ny fanampiana avokoa izy ireo indrindra eo amin’ny lafiny fanatsarana ny asa fivelomana ». Ankoatra izay, manao antso avo hatrany ny AFHAM ny amin’ny tsy tokony hanilikilian’ny fiaraha-monina ireny olona manana fahasembanana ireny ary koa ny tokony hijerena ny lafiny ara-potodrafitrasa any amin’ireny birao na sampan-draharaha ireny tahaka ny tohatra izay tena manahirana ireo sembana ara-batana.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930