Madatopinfo

 Flash Info

OZININA STAR ANTSIRABE: Efa miverina amin’ny laoniny ny asa famokarana

OZININA STAR ANTSIRABE: Efa miverina amin’ny laoniny ny asa famokarana

OZININA STAR ANTSIRABE: Efa miverina amin’ny laoniny ny asa famokarana
août 20
20:03 2020

Isan’ireo ozinina mpamokatra zava-pisotro Star voakasiky ny fiatoana vonjimaika ny tao Antsirabe iray volana lasa izay, noho ny olana ateraky ny valanaretina Coronavirus eto amintsika. Na dia izany aza, tsy nitsahatra nikaro-bahaolana hatrany ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny orinasa Star manoloana izany. Ny talata 18 Aogositra lasa teo, nanatanteraka fitsidihana io ozinina Star ao Antsirabe io ny Ministry Indostria, ny Varotra ary ny Asa tanana, Ramatoa Lantosoa sy ny Tale Jeneralin’ny orinasa Star, Andriamatoa Marc Ponzmentier. « Manan-danja ho an’ny fanjakana tokoa ny famerenana ny famokarana eto amin’ny ozinina Star Antsirabe ary midika ho fanomezana fanantenana vaovao ho an’ny sehatra tsy miankina ihany koa », hoy ny Ministra nandritra io fitsidihana io. Nankasitraka ny orinasa Star ihany koa ny tenany noho ny fanajan’ity orinasa ity ny fepetra rehetra izay napetraka ka nahafahana namerina indray ny famokarana. Omaly alakamisy 20 Aogositra no nahampahafantarina tamin’ny alalan’ny fanambarana moa izany fiverenan’ny asa famokarana zava-pisotro Star ao Antsirabe izany. « Izao fisokafana izao dia mifanindran-dalana amin’ny fiverenan’ny tinady ara-barotra tsikelikely amin’ny laoniny », hoy ny fanambarana. Tombony lehibe ho an’ny Faritra Vakinankaratra araka izany izao noho ity ozinina ity mamelona fianakaviana maro any an-toerana. Raha ny momba ny ozinina ao Ambatolampy izay nitsahatra nanomboka ny volana Mey lasa teo indray kosa, dia mampanantena ny Star fa hiverina tsy ho ela ihany koa ny asa famokarana.

 

 

Mickah

 

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031