Madatopinfo

 Flash Info

ASSOCIATION MIOTY: Hampiroborobo ny tontolo ambanivohitra eto Madagasikara

ASSOCIATION MIOTY: Hampiroborobo ny tontolo ambanivohitra eto Madagasikara

ASSOCIATION MIOTY: Hampiroborobo ny tontolo ambanivohitra eto Madagasikara
août 04
14:30 2021

Isan’ny olana goavana lalovan’ny tantsaha eto amintsika ny tsy fananana fitaovana mifanaraka amin’ny fenitry ny fambolena sy fiompiana ary ny asa tanana, eo ihany koa ny eo amin’ny lafiny teknika. Ho fanohanana azy ireo ao amin’ireo sehatra ireo dia nijoro ny Association Mioty izay ivondronana tanora maro, misy eto Antananarivo ary efa misandrahaka any amin’ny Faritra ihany koa. Ity fikambanana ity izay miompana kokoa amin’ny tontolo ambanivohitra amin’ny maha tantsaha ny ankamaroan’ny malagasy. « Mioty voa tsada, hampiangoty ny taranaka any afara » rahateo no teny filamatry ny fikambanana. Maro ny hetsika efa notanterahan’ny Association Mioty nandritra izay herintaona mahery nijoroany izay, ohatra amin’izany ny fambolen-kazo tany Ambatofotsy, ny fikarakarana zaridaina tao amin’ny Lisea iray tao Antsirabe, eo ihany koa ny asa sosialy hafa. Tsy vitsy ihany koa no mbola tsy tontosa noho ny hamehana ara-pahasalamana teto amin’ny firenena. Ankehitriny, an-dalam-pamolavolana tetikasa hafa mikasika ny fanomezana sakafo ara-pahasalamana ho an’ny mpianatra eny anivon’ireny sekoly ambaratonga fototra (EPP) ireny ny fikambanana.
Nanambara ny Filohan’ny fikambanana, Miaina Rafambinantsoa fa ny Association Mioty dia misokatra ho an’ireo rehetra tsara sitrapo sy vonona hifanolo-tanana na ara-kevitra izany, na ara-bola, na ihany koa ara-pitaovana. Manentana ho an’ireo tanora malagasy mitovy fomba fijery amin’ity fikambanana ity ihany koa izy mba hiditra ao anatin’izany mba ho fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Tsiahivina moa fa tamin’ny 27 Mai 2020 no nijoro ny Association Mioty, efa ara-panjakana ary eny Soanierana Antananarivo no misy ny foiben-toerany.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930