Madatopinfo

 Flash Info

TETIKASA MITEHAFA: Faritra sivy eto Madagasikara no niasana nandritra ny herintaona sy tapany

TETIKASA MITEHAFA: Faritra sivy eto Madagasikara no niasana nandritra ny herintaona sy tapany

TETIKASA MITEHAFA: Faritra sivy eto Madagasikara no niasana nandritra ny herintaona sy tapany
avril 03
08:00 2022

Miaro tena aho, ho fiarovako ny hafa. Notanterahana nandritra ny 18 volana ny tetikasa MITEHAFA izay niarahan’ny ONG Humanité & Inclusion sy ny Douleurs Sans Frontières ary ny SOS Villages d’Enfants nifarimbona tamin’ny alalan’ny famatsiam-bola avy amin’ny Agence Française de Développement na AFD. Niompana tamin’ny fanohanana ara-tsaina ireo olona voan’ny valanaretina Covid-19 sy ny fianakaviany ary ny mpiasan’ny fahasalamana ny tetikasa, eo ihany koa ny fanentanana mikasika ny fepetra sy sakana ara-pahasalamana, ny fanohanana ara-pitaovana ireo CSB (Centre de Santé de Base) miisa 52. Ankoatra izay, tafiditra tao anatin’ny tetikasa koa ny lafiny fampianarana ka sekoly 48 no nahazo tohana ara-pitaovana isan’izany ny fitaovana hiarovana amin’ny fiparitahan’ny aretina. Ho fitsinjovana ny ray aman-dreny sy ny mpianatra, miisa 1.522 ihany koa no mpianatra nisitraka ny « cantine scolaire » sy ny « kits scolaires » ary kojakoja samy hafa.
« Nahomby ny tetikasa MITEHAFA ho an’ireo faritra 9 eto Madagasikara niasana nandritra ny herintaona sy tapany: Analamanga, DIANA, Atsinanana, Analanjirofo, Boeny, Vakinankaratra, Atsimo Andrefana sy Anosy ary Androy. Tanjona mantsy ny hampihena araka izay azo atao ny voka-dratsy nateraky ny valanaretina Coronavirus teto amintsika », hoy ny mpandrindra ny tetikasa MITEHAFA eo anivon’ny Humanité & Inclusion, Rajafetra Miharimandresy. Tsiahivina fa ny volana oktobra 2020 no nanombohan’ny tetikasa ary notanterahana ny alakamisy 31 martsa lasa teo teny Antaninarenina kosa ny lanonam-pamaranana izany sady nampahafantarana ireo vokatra azo nandritra ny fanatontosana izany, natrehan’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny solontenan’ireo nisitraka ny tetikasa MITEHAFA.

Sary: Humanité & Inclusion

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930