Madatopinfo

 Flash Info

FIFANINANANA MT180: Hisolontena an’i Madagasikara any Rabat izay hahazo ny laharana voalohany

FIFANINANANA MT180: Hisolontena an’i Madagasikara any Rabat izay hahazo ny laharana voalohany

FIFANINANANA MT180: Hisolontena an’i Madagasikara any Rabat izay hahazo ny laharana voalohany
avril 05
05:10 2023

Manana hatramin’ny 9 Aprily ho avy izao ireo tanora manana maripahaizana « doctorant(e) » hisoratra anarana amin’ny fifaninanana MT180 na « Ma thèse en 180 secondes » amin’ity taona 2023 ity. Fifaninanana izay hiarahan’ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa sy ny AUF ary ny SCAC mikarakara. Araka ny nampahafantarina teny amin’ny AUF Faravohitra nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety, omaly, izay natrehan’ny Talem-paritry ny AUF, Aïda Sy-Wonyu, fa manana 3 minitra ireo mpandray anjara handresen-dahatra mikasika ny tetikasa novolavolain’izy ireo. Hisy ny fifantenana isam-paritra, avy eo hiatrika ny dingana famaranana ireo 20 tafakatra. « Hisitraka famatsiam-bola mitentina 500.000 ariary izay hitàna ny laharana voalohany eo anivon’ny Faritra, 300.000 ariary kosa ny faharoa ary 200.000 ariary ny fahatelo. Raha ho an’ny tompon-daka eto Madagasikara kosa, hahazo famatsiana 4 tapitrisa ariary ny voalohany, raha 2 tapitrisa ariary ny faharoa, iray tapitrisa ariary ho an’ny fahateo ary iray tapitrisa hafa ho an’izay voafidin’ny mpifidy manatrika ny fifanintsanana sy ara-tambajotra », hoy ny Masoivohon’i Frantsa sady mpandrindra ny tetikasa, Franck Molinaro. Ny mpandray anjara hahazo ny tompon-dakan’i Madagasikara kosa dia hanohy ny fifaninanana iraisampirenena hotanterahana any Rabat ny volana Oktobra 2023.
Hisy mpitsara 5 avy amin’ny sehatra samy hafa moa manatrika ny fifaninanana MT180 raha ny voalaza hatrany. Ny Sekretera Jeneralin’ny MESUPRES, Julien Salava, dia nanamafy fa isan’ny manosika ny manampahaizana malagasy ary hanatsara ny kalitaon’ny fifaneraserana amin’ny sehatry ny asa fikarohana izao fifaninanana izao.
Tsiahivina fa tamin’ny taona 2008 no niatomboka tao amin’ny Onivesite Queensland ao Austtalie ny « Ma thèse en 180 secondes » na « Three minute thesis » ary firenena maro no efa mandray anjara amin’izany amin’izao fotoana izao anisany i Madagasikara.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031