Madatopinfo

 Flash Info

ADY AMIN’NY COVID-19: Hentitra ny fanaraha-maso sy ny fandaminana eny amin’ny tsenan’Anosibe

ADY AMIN’NY COVID-19: Hentitra ny fanaraha-maso sy ny fandaminana eny amin’ny tsenan’Anosibe

ADY AMIN’NY COVID-19: Hentitra ny fanaraha-maso sy ny fandaminana eny amin’ny tsenan’Anosibe
mai 29
07:57 2020

Toerana malaza, ifamezivezen’ny olona maro ny tsenan’Anosibe. Vao nanomboka ny vanim-potoana fahamehana ara-pahasalamana teto amintsika dia efa nandray ny andraikiny avy hatrany ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny teo anivon’ny tsenan’Anosibe izay tarihan’ny Chef de Division, Marcellin Randrianambinina. Efa nanatanteraka fanentanana ny mpivarotra, ny mpanjifa sy ny mpisehatra rehetra eny amin’ity tsena ity izy ireo mikasika ny tsy maintsy hanajana ireo fepetra nomen’ny fitondram-panjakana sy ny fandaminana eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra toy ny fanaovana arotava, fanajana ny elanelana iray metatra sy ny maro hafa. Araka ny fanazavan’ny Lehiben’ny tsenan’Anosibe, amin’ny 12 ora sy sasany atoandro dia efa mikatona avokoa ny tsena rehetra ary mihidy aorian’izay ihany koa ny vavahady 28 idirana ao amin’ity tsena ity. Nambarany ihany koa fa iharan’ny sazy ireo izay tsy minia tsy manaraka ireo fepetra ireo, ohatra amin’izany ny fanakatonana avy hatrany ny tsena ho an’ireo mpivarotra tsy manara-dalàna. Ireo rehetra ireo moa no natao hisorohana ny fiparitahan’ny areti-mandoza coronavirus eto amintsika, hoy hatrany ny Lehiben’ny tsena ao an-toerana.

Tsenan’Anosibe sy ny fandriampahalemana

Efa-bolana izay no nitantanan’ny Chef de Division Marcellin Randrianambinina ny tsenan’Anosibe. Isan’ireo vaindohan-draharahany ny lafiny fandriampahalemana izay tena mampalaza ratsy ny tsenan’Anosibe hatramin’izay. Amin’izao fotoana izao, mpiambina manodidina ny 300 no misandrahaka manerana an’ity tsena lehibe ity raha ny ao anatiny manokana. Fantatra ihany koa fa vao natsangana ny vaomiera misahana ny fisorohana sy famongorana ny mpangarom-paosy, mpisinto-mahery sy mpanendaka isaky ny toerana fijanonan’ny fiara fitateram-bahoaka eny amin’ny tsenan’Anosibe. Eo ihany koa ny fisian’ny mpiambina isaky ny vavahady fidirana sy fivoahan’ny olona. Hiavahan’ireo mpisehatra eo amin’ny lafiny fandriampahalemana ireo amin’ny olon-tsotra, namatsy ara-pitaovana azy ireo ny Lehiben’ny tsena ao an-toerana toy ny fanamiana. Tsy hijanona hatreo fa hitohy hatrany ny ezaka hotanterahan’ny mpitantana ny tsenan’Anosibe mba hanjakan’ny filaminana tanteraka ao aminy araka ny fanampim-panazavana voaray hatrany.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031