Madatopinfo

 Flash Info

FEPETRA FISOKAFAN’NY SISINTANY: Mitaky fihaonana amin’ny fitondram-panjakana ny sehatra tsy miankina

FEPETRA FISOKAFAN’NY SISINTANY: Mitaky fihaonana amin’ny fitondram-panjakana ny sehatra tsy miankina

FEPETRA FISOKAFAN’NY SISINTANY: Mitaky fihaonana amin’ny fitondram-panjakana ny sehatra tsy miankina
mars 09
18:30 2022

Tandindomin-doza ny toekarena eto Madagasikara, io no azo hamehezana ny fanambarana niraisan’ny fivondronan’ny sehatra tsy miankina izay notanterahana teny Ankorondrano ny alarobia 9 martsa teo. Raha ny sabotsy 5 martsa lasa teo mantsy no tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra fa hiverenan’ny fisokafan’ny sisintany indray, mbola tsy nahitana sidina vaovao akory teto amintsika noho ny fanapahan-kevitra goragora noraisin’ny fitondrana. Voalaza mantsy fa ady atao amin’ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena no antony nametrahana ireny fepetra isan-karazany ireny. Mbola nohamafisin’i Thierry Rajaona, Filohan’ny GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar) hatrany anefa fa : « lasa mifangaro ny ady amin’ny Covid-19 sy ny fanondranana tsy ara-dalàna ny vato sarobidy ary tsy vahaolana velively ny fandraisana ny fanapahan-kevitra peta-toko izay noraisin’ny teo anivon’ny ministera mpiahy ». Nambarany ihany koa fa tsy ho vita ao anatin’ny fotoana fohy ny fanarenana ny fatiantoka fa maharitra aman-taonany maro mihitsy. Raha ny antontan’isa navoakan’ny CTM (Conféderatin du Tousme de Madagascar) mantsy, manodidina ny 16.000 monja no isan’ireo mpandeha azon’i Madagasikara nanomboka tamin’ny volana novambra 2021 izay nanombohan’ny fanokafana ny sisintany amin’ny ampahany. Fiatraikan’izany, mihena ny fidiram-bolan’ireo mpandraharaha ara-pizahantany ary misy amin’ireo orinasa tsy miankina aza nikatona mihitsy ka maro ny olona no very asa, isany labitraka amin’ireo ny mpiasan’ny trano fandraisam-bahiny sy ny mpitari-dia ary ny mpamily. Manampy trotraka koa ny fitotonganan’ny vola vahiny miditra eto amin’ny amintsika izay voasokajy ho seha-piharian’ireo mpandraharaha ara-pizahantany. « Tsy ny sehatry ny fizahan-tany ihany mantsy no mahazo tombotsoa amin’ny fisokafan’ny sisintany tanteraka fa iankinan’ny toekarena amin’ny ankapobeny mihitsy izany », hoy ny Filohan’ny CTM, Aina Raveloson.
Manoloana ny voka-dratsy aterak’ireo fepetra napetraka, mitaky ny hisian’ny marimaritra iraisana ny fivondronan’ny sehatra tsy miankina ary mangataka fiaraha-midinika miaraka amin’ny fitondram-panjakana haingana mikasika ny fepetra tokony horaisina izy ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny tokony hanamaivanana na hanajanona ireo fanapahan-kevitra hidirana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara izay manohintohina ny fahatongavan’ny mpizahan-tany. Araka ny fanambarana niraisan’ireo vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara hatrany, mitaky ny hametrahana olona mahafehy ny asa aman’andraikiny ny handray an-tanana ny Ministeran’ny fitaterana. Andrasana araka izany ny tohin’ny fitakiana sy ny antso avo nataon’izy ireo ho an’ny fitondram-panjakana.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930