Madatopinfo

 Flash Info

ROTARY VOVONANA: I Haingo Ranoharisoa no hitarika ny fikambanana mandritra ny herintaona

ROTARY VOVONANA: I Haingo Ranoharisoa no hitarika ny fikambanana mandritra ny herintaona

ROTARY VOVONANA: I Haingo Ranoharisoa no hitarika ny fikambanana mandritra ny herintaona
septembre 15
09:30 2020

« Rotary ouvre des opportunités » no lohahevitra nosafidian’ny Rotary Club Antananarivo Vovonana mandritra ny herintaona. Nokasaina notanterahina ny 11 Jolay lasa teo ny famindrana andraikitra teo amin’ny Filohan’ny RCA Vovonana teo aloha, Jean-Aimé Rajaofera sy ny Filoha vaovao Haingo Ranoharisoa. Noho ny antony fihibohana sy ny fahamehana ara-pahasalamana teto amin’ny Faritra Analamanga, dia tamin’ny sabotsy 12 Septambra lasa teo no nanatontosana izany teny amin’ny Hotel Carlton Anosy. I Haingo Ranoharisoa araka izany no hitarika indray izany fikambanana izany mandritra ny fe-potoam-piasana izay maharitra herintaona, nanomboka ny 1 Jolay 2020 hatramin’ny 30 Jona 2021. Tonga nanotrona io lanonan-dehibe io ny fianakaviamben’ny RCA Vovonana niaraka tamin’ny vahiny nasaina maro. Niara-paly sy nikorana tamin’ny alalan’ny fiaraha-nisakafo ny rehetra tao aorian’ny fandraisam-pitenena isan-tsokajiny ho mariky ny fisaorana ny mpitantana teo aloha sy ho fandraisana ny ekipa vaovao.

Zava-dehibe ho an’ny Filoha vavao ny fanomezan-danja ny asa sosialy

Tsy niandry ela fa nandray ny andraikiny avy hatrany ny Filoha Haingo Ranoharisoa vantany vao voasafidy ho Filohan’ny RCA Vovonana. Nizara kojakoja maro manaraka ny fenitra ara-pahasalamana ho an’ny Kaominina ambanivohitra Fenoarivo ny ekipa izay notarihiny tamin’ny 3 Aogositra lasa, ho enti-misoroka ny fihanaky ny Covid-19 . Arotava, « masque visière, gel main désinfectant, eau de javel » ireo fitaovana ireo ary notsinjaraina avy hatrany ho an’ny mpiasa eo anovon’ny Kaominina Fenoarivo sy ireo tompon’andraikitra manerana ny Fokontany 12 ao aminy.
« Laharam-pahamehana ho an’ny Rotary Club Antananarivo Vovonana tokoa mantsy amin’izao vanim-potoana sarotra lalovan’ny firenentsika izao ny fanampiana ny fiaraha-monina hiarovana azy ireo amin’ny valanaretina Coronavirus », hoy ny Filoha Haingo Ranoharisoa. Ankoatra izay, ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ity fikambanana tsy miankina ity ihany koa ny fampitaovana ny sekoly amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao ary manana vina hanangana ivontoeram-pamakiam-boky ny RCA Vovonana mandritra ny taom-piasana 2020-2021.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930