Madatopinfo

 Flash Info

FISITRAHANA RANO FISOTRO MADIO: Mikaon-doha mandritra ny roa andro ireo mpisehatra

FISITRAHANA RANO FISOTRO MADIO: Mikaon-doha mandritra ny roa andro ireo mpisehatra

FISITRAHANA RANO FISOTRO MADIO: Mikaon-doha mandritra ny roa andro ireo mpisehatra
avril 17
20:13 2023

« Fampandrosoana ny sehatry ny rano eto Madagasikara », io no lohahevitra noraisina mandritra ny atrikasam-pirenena momba ny rano izay tanterahana eny amin’ny Motel Anosy mandritra ny 2 andro. Fikaonan-doha nasionaly izay hifandrimbonan’ny Ministeran’Rano, ny fanadiovana sy fidiovana, ny Ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, ny Ran’eau sy ireo mpisehatra amin’ny fampiroboroboana ny rano eto Madagasikara. Mifanindran-dalana amin’ny Tanjon’ny Fampandrosoa maharitra (ODD) laharana faha-6 sy ny Velirano faharoan’ny fitondram-panjakana izay miompana amin’ny fisitrahan’ny vahoaka rano fisotro madio ity atrikasa ity. «Fepetra 3 farafahakeliny no takiana amin’ny fisitrahana rano: ny loharano misy, ny olona manatanteraka sy miasa ary ny fotodrafitrasa», hoy ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Ministeran’ny Rano, Razaivao Vololoniaina Helinoro nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy io fikaonan-doha io ny alatsinainy 17 Aprily. Raha ny antontan’isa voaray mantsy, ny 48 isan-janton’ny mponina eto Madagasikara ihany no misitraka rano fisotro madio amin’izao fotoana izao. Hampiakatra io taha io ihany koa no isan’ny antom-pisian’ity atrikasam-pirenena ity mba hamaliana ny filàn’ny vahoaka amin’ny fanomezana rano fisotro madio. « Ilaina ny fampifandraisana ny filàna sy ny fiofanana ka amin’ny dingana manaraka no hamaritana ny paikady hahatratrana ny tanjona ary hahafahana mamoaka drafitrasa aorian’ny atrikasa », hoy hatrany ny fanazavana. Ankoatra izay, nambarany fa mila dinihana ihany koa ny lafiny ara-teknika sy ara-boajanahary indrindra amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro izay mampisy ny tondra-drano na faharitina amin’ny toerana sasany eto amintsika.
Mandray anjara amin’ity fikaonan-doha mandritra ny roa andro ity moa ny avy amin’ny Ministera, ny fikambanana, ny sehatra tsy miankina, ireo mpiara-miombon’antoka momba ny rano ary antenaina hampiroborobo ny sehatry ny rano izany.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930