Madatopinfo

 Flash Info

ZAIMAIKA ANALAKELY : Mizotra fehizay ny fanitaran’ny Miel ny trano avo lenta

ZAIMAIKA ANALAKELY : Mizotra fehizay ny fanitaran’ny Miel ny trano avo lenta

ZAIMAIKA ANALAKELY : Mizotra fehizay ny fanitaran’ny Miel ny trano avo lenta
décembre 23
05:54 2020

Raitra ! Io no filaza azy raha ny fahitana ny sarin’ny Zaimaika ho avy eo. Avo lenta tokoa ny fanalehibeazana sy ny fampiakarana ary ny fanatsarana ity trano fisakafoanana eo Ambodifilao ity. Maroroka tanteraka ny taon-trano. Tao anatin’ny andro vitsy, efa tafatsangana hihazo ny rihana sahady ny rindrina izay nitarina avokoa ny ambaindainy. Hipoka kojakojam-panorenana tahaka ny hazo, vatokely, fasika, simenitra, biriky sns ao anaty valam-panorenana. Amam-polony marobe ireo mpiasa mifanaretsaka manangana ity taon-trano vaventy ity.
Nandritra ny fotoanan’ny angom-baovao nandalovan’ny mpanao gazetinay ny talata mialohan’ny krismasy teo, samy seriny avokoa na ireo mpandrafitra na ny tomponandraikitra. Tsikaritra ho voakaly sy manaram-penitra hatrany anefa io tsena izay anisan’ny vakoka ho an’Antananarivo renivohitra io. Nandritra ny amam-polon-taonany maro, tsy vitsy amin’ireo teratany Malagasy monina any dilam-bato sy ireo mpizahan-tany no mpisakafo sy mpaka sary an’io toerana io, izay azo antoka fa manana ny lazany tanteraka manerana ny Nosy sy izao tontolo izao. Mitandro fatratra izany hasin’ny Zaimaika izany ny orinasa Miel mpanangana azy.
Sitraka sy telina
Tsiahivina moa fa anatin’ny veliranion’Iarivo laharana faha-3 an’ny Ben’ny Tanana an’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina, ny famoronana tsena manaram-penitra mendrika ny Renivohitr’i Madagasikara. Ny «Association Miel» no nahazo ny tolo-bidy. Efa nolanian’ny Mpanolontsainan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra na ny CUA, nandritra ny fivoriana ara-potoana, ny volana oktobra teo ity fanatsarana goavana ity. Akarina rihina iray ny tsenan-tsakafo masaka Zaimaika ka hahazaka avo roa heny noho ny teo aloha, noho izany ny toeram-pivarotana.
Araka ny tafa nifanovan’ny Ben’ny Tanana tamin’ny mpivarotra rehetra, ny 23 Septambra teo dia miverina avokoa ireo mpivarotra ara-dalana 60 teo aloha, ireo tsena ambiny kosa sy ny ao ambony dia ny Association Miel no hitantana azy manditra ny 20 taona ary ity farany no hiandraikitra ny haban-tsena ka arotsaka mivantana amin’ny Ivon-ketra. Marihina moa fa efa tsenam-barom-panjakana maro no notanterahin’ny “Association Miel”. Anisan’ireo raitra tamin’ny dian-tanany ny tsena natsangany tao Toamasina, renivotry ny Faritra Antsinana, nandritra ny naha-ben’ny Tanana an’i Elysée Ratsiraka. Azo antoka araka izany fa hamiratra sy avo lenta ity tsenan’ny sakafo masaka eo Ambodifilao izay ajoro ity izao.
Ny “Association Miel” dia tantanan’ny Malagasy ray sy reny. Tsy mitombina arak’izany ny feo mandeha fa lasan’ny teratany vahiny Zaimaika. Ny “Miel” moa dia midika ho tantely, mamy, sitraka sy telina. Ny fikambanam-ben’ny mpivarotra dia feno sitraka sy telina amin’ny tomponandraikitra isan’ambarantongany, indrindra amin’ny Miel. Ny mpandalo izay mifanaretsaka amin’izao fety izao sy ny mponina manodidina ary ny mponin’Iarivo ihany koa dia hita ho ravoravo amin’ny famitana an’ny Zaimaika. Tsikaritra mantsy fa toy ny vay an-kandrina izy io teo aloha ka sady naharary no nahamenatra.
Haja Nirina

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031