Madatopinfo

 Flash Info

DOCTORIALES 2022 : Niavaka ny fanamarihana ny andiany faha-8

DOCTORIALES 2022 : Niavaka ny fanamarihana ny andiany faha-8

DOCTORIALES 2022 : Niavaka ny fanamarihana ny andiany faha-8
décembre 12
06:30 2022

Notanterahina ny 6 ka hatramin’ny 9 desambra lasa teo teny amin’ny Trano famakiamboky eo anivon’ny oniversite an’Antananarivo ny « doctoriales 2022 » andiany fahavalo, nampitondraina ny lohahevitra hoe : « Ny fikarohana sy fitondrana zava-baovao ivon’ny fampandrosoana » izay nokarakarain’ny CSFR (Cellule de Soutien à la Formation et à la Recherche) sy ny sampandraharaha 2 hafa. Nantsoina nandray anjara tamin’ity hetsika ity avokoa ireo mpianatra ho dokotera (doctorants) amin’ny sehatra rehetra eo amin’ny Anjerimanontolo manerana an’i Madagasikara. Nandritra ny hetsika, nisitraka fanamafisana ny fahaiza-manao ireo mpandray anjara 30 mianadahy : avy eto Antananarivo miisa 22, 7 avy any amin’ny oniversite hafa ary ny ambiny kosa avy any amin’ny oniversiten’i Douala any Cameroun.
Nandritra ny lanonam-pamaranana ny tolakandron’ny zoma 9 desambra no nanolorana ny mari-pankasitrahana ireo mendrika tamin’ny fifaninanana. « Tanjona ny hanomezan-danja manokana ny fikarohana amin’ny maha fampandrosoana mivantana ho an’ny firenena anankiray ary ihany koa ho fampirisihana ny tanora hampiroborobo sy hilofo amin’ ny fikarohana », hoy ny Dokotera Rasata Ravelo Andriamparany, Talen’ny Fikarohana ho dokotera eo anivon’ny Fiadidiana ny oniversiten’Antananarivo. Fotoana iray nampifandray sy nampifanerasera ireo mpikaroka sy manam-pahaizana miaraka amin’ireo mpianatra ho dokotera rahateo ny hetsika « doctoriales 2022 ».
Ankoatra izay, nasian’i dokotera Rasata Ravelo teny ihany koa ny mikasika ny fitaovana ampiasain’ireo mpianatra ho dokotera. « Manana laboratoara isika fa mila ezaka ihany koa ny fisian’ny fitaovana amin’ny hiaka farany », hoy izy. Tsiahivina moa fa izy no namorona ny fitaovana maka endrika penina ahafahana mizaha ny selan’ny homamiadanan’ny nono izay nanaovany fikarohana sy fanandramana nandritra ny 8 tany tany ivelany.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930