Madatopinfo

 Flash Info

FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA: Napetraka ny tetikasa « Mividy finday 1 = mamboly hazo 1 »

FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA: Napetraka ny tetikasa « Mividy finday 1 = mamboly hazo 1 »

FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA: Napetraka ny tetikasa « Mividy finday 1 = mamboly hazo 1 »
novembre 03
11:50 2020

Isan’ireo politikan’ny fanjakana ny haharakotra ala an’i Madagasikara, ho fahatrarana izany vina izany dia misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, sy ny Telma ary ny orinasa Bôndy amin’ny alalan’ny tetikasa novolavolain’ny Telma antsoina hoe:  » Finday iray lafo = hazo iray voavoly ». Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy 2 Novambra teny Andraharo izany. Araka ny fantara, amin’ity taom-pambolen-kazo 2020-2021 ity dia tany mirefy 35 hektara no hambolena zana-kazo miisa 50.000 any amin’ny Distrikan’Andramasina. Zana-kazo toy ny Bambou, Acacia ary hazo fihinam-boa isan-karazany moa no hovolena amin’izany. Hiara-hiasa akaiky araka izany ny telo tonta amin’ity tetikasa goavana ity. Ny eo anivon’ny Bôndy kosa no handray an-tanana ny fambolena sy ny fanaraha-maso ireo zana-kazo ireo ary misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny mponina ao Andramasina. Ny mpanjifa rehetra mividy finday na finday avo lenta (smartphone) eny anivon’ny Telma Shop izany manomboka izao dia hanampy betsaka amin’ny fandraisana anjara amin’ny fambolen-kazo ao Andramasina.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930