Madatopinfo

 Flash Info

FIKAMBANANA FITSINJO: Hifantoka amin’ny fanangonana atontam-baovao maripototra sy mangarahara

FIKAMBANANA FITSINJO: Hifantoka amin’ny fanangonana atontam-baovao maripototra sy mangarahara

FIKAMBANANA FITSINJO: Hifantoka amin’ny fanangonana atontam-baovao maripototra sy mangarahara
juillet 21
15:10 2023

Isan’ny mamelona fianakaviana maro indrindra amin’iny faritry ny sisin-dranomasin’i Madagasikara iny ny sehatry ny jono, miantoka ny fidiram-bola sy ny sosialin’ny mponina. Amin’ny maha foto-piveloman’ny mponina ny jono izay, ahiana hitera-doza ho azy ireo sy ny toekarena amin’ny ankapobeny izany raha manjaka ny gaboraraka ny amin’ny fitantanana sy indrindra ihany koa ny fisian’ny jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalàna. Raha ny vaovao voaray mantsy, manodidina ny 14 hatramin’ny 16 tapitrisa dolara no fatiantoka ho an’i Madagasikara ny taona 2018. Amin’izao fotoana izao, mijoro ny fikambanana Fitsinjo na Fitsirihana ny Jono izay nampahafantarina teny amin’ny Panorama Andrainarivo ny alakamisy 20 Jolay ny fanombohana ofisialy ny asany. Misahana manokana ny atontam-baovao maripototra rehetra mikasika ny jono tsy ara-dalàna manodidina sy eo amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara ity fikambanana ity. « Laharampahamehana ny hampihena amin’ny fomba mahomby ny jono halatra amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa isan-tsokajiny, hahafahana mahita vokatra amin’ny fanatsarana ny toekarena sy ny fiantohana ara-tsakafo na ho an’ireo mponina manamorona ny ranomasina izany na ihany koa ho an’ny vahoaka malagasy manontolo mihitsy », hoy ny Filohan’ny Filankevi-pitantanana Fitsinjo, Rahoeliarisoa Huynh Corrine. Ankoatra ny fiaraha-miasa amin’ny Global Fishing Watch, Skylight, sy ny fidirana tao amin’ny FiTI (Fishiries Transparency Initiative), ny CFIM sy ny CSP, hanatevin-daharana hanampy ny ministeran’ny Jono ihany koa araka izany ny Fitsinjo. Nanamafy ny Ministra Mahatante Paubert Tsimanaoraty nandritra io fanombohana ny asa sahanin’ny Fitsirihana ny jono io fa zava-dehibe ny fijoroan’ity fikambanana mahaleontena misehatra amin’ny ady amin’ny jono halatra ity, hanampy ny ministera ahafahana mifanakalo ireo atontam-baovao eto Madagasikara. « Tsy eo amin’ny jono indostrialy ihany mantsy no ahitana jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalàna fa eo ihany koa ireo jono madinika », hoy ny fanampim-panazavan’ny Ministry ny Jono sy ny Toekarena manga. Araka ny nambaran’ny Mpandrindra nasionaly eo anivon’ny Fitsinjo, Joëlle Rahantarivelo, dia isan’ny tanjon’ny fikambanana rahateo ny hizara ny atontam-baovao, hampahafantatra sy hanentana ny olompirenena mikasika izany hanatsarana ny fitantanana ny harena an-dranomasina eto Madagasikara. Manoka-baravarana ho an’ny fikambanana, na ONG samy hafa ny Fitsinjo amin’ny hahatrarana my tanjona iraisana dia ny haitondra sy ny ady amin’ny jono tsy manara-dalàna izany.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031