Madatopinfo

 Flash Info

UCTS: Tsy hampiakatra ny saran-dalana aloha hatreto

UCTS: Tsy hampiakatra ny saran-dalana aloha hatreto

UCTS: Tsy hampiakatra ny saran-dalana aloha hatreto
juillet 05
14:29 2022

Manoloana ny resabe izay mihely an-tambazotra samy hafa sy eny anivon’ny toerana rehetra ireny mikasika ny fisondrotan’ny saran-dalana izay mampisavorovoro ny saim-bahoaka, nanatanteraka fanambarana teny amin’ny Foiben-toerany eny Ambaranjana ny Fivondronan’ny Mpitatitra olona misahana ny Zotra mampitohy ny manodidina an’Antananarivo renivohitra (UCTS). Voalaza nandritra izany fa mitohy am-pilaminana hatrany ny asam-pitateram-bahoaka sahanin’ny zotra manodidina na « suburbain ». Voarakitra ao anatin’io fanambarana io ihany koa fa miankina tanteraka amin’izay mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika apetraky ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany ny mety ho fiovan’ny saran-dalana sy ho famaritana ny saran-dalana vaovao. Nilaza ihany ny Filohan’ny UCTS, Fidimalala Rakotoarimanana fa tsy mbola misy ny zotra mampihatra ny saran-dalana vaovao hatreto ho azy ireo fa mijanona ny teo aloha ihany. « Miantso sy maniry fifampidinihana amin’ny Fitondram-panjakana sy ny mpitatitra mba hikaro-bahaolana ho tombotsoan’ny besinimaro ny Fivondronan’ny Mpitatitra olona misahana ny Zotra mampitohy ny manodidina an’Antananarivo renivohitra », hoy hatrany ny mpitondra teny nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety. Isan’ny nandefasan’izy ireo ity fanambarana ity moa ny Ministeran’ny Fitaterana, ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ATT. Andrasana araka izany ny tohin’ity fivoaran’ny raharaha momba ny saran-dalana ity.

M.R

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031