Madatopinfo

 Flash Info

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR: Hanohana ny fandaharan’asa « Action pour l’Autisme à Madagascar »

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR: Hanohana ny fandaharan’asa « Action pour l’Autisme à Madagascar »

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR: Hanohana ny fandaharan’asa « Action pour l’Autisme à Madagascar »
juillet 15
06:20 2021

Mila fanohanana ny Autisme eto Madagasikara. Notanterahana ny talata 13 Jolay lasa teo ny fifanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa teo amin’ny Filohan’ny Orange Solidarité Madagascar, Josie Randriambeloma sy ny Filohan’ny Autisme Féderation Madagascar (Au.Fé.M), Julien Razafindratsimba. Niompana indrindra tamin’ny fanohanan’ny Orange Solidarité ny tetikasa antsoina hoe: « Action pour l’Autisme à Madagascar » moa ity fifanarahana teo ami’ny roa tonta ity. Araka ny fampitam-baovao voaray dia hisy ny fananganana fandaharan’asa Autisme eto Madagasikara izay hanenika ny fikambanana maromaro mivondrona ao amin’ny Autisme Féderation Madagascar. Ny fitaovana amin’izany ihany koa dia atolotra ho an’ny Federasiona, anisan’izany ny « tablettes numériques, ordinateur, serveur Raspberry, vidéoprojecteur, casques, enceinte JBL » sy ny kojakoja samihafa. Ny Orange Solidarité Madagascar araka izany dia hanohana ity Federasiona ity amin’ny fanatanterahana hetsika fanentanana momba ny autisme, ary koa ny famolavolana sy famokarana torolàlana azo ampiharina ho an’ny autisme. Tanjon’ny Orange Solidarité amin’izao fiaraha-miasa izao rahateo ny fampahafantarana mikasika ny autisme, eo koa ny fanamorana ny fampidirana azy ireny eo anivon’ny fiaraha-monina ary ny fahafahana mandray an-tanana ireo olona autiste sy ny fianakavian’izy ireo.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930