Madatopinfo

 Flash Info
  • MVOLA SY VOILADOC : Miara-miasa ho fisitrahan’ny malagasy tolotra ara-pahasalamana azo antoka Isan’ny zo fototry ny olona tsirairay ny fahasalamana, noho ny tsy fahampiana sy ny halaviran’ny toeram-pitsaboana amin’ny toerana sasany anefa dia maro ny olona indrindra any ambanivohitra no tsy misitraka...
  • FIKAMBANAM-PIANTOHANA M.A.MA: Mitohy ny fampiroboroboana ny taranja ara-panatanjahantena Tanjon’ny orinasa Malagasy M.A.MA (Mutuelle d’Assurance MAlagasy) ny hametrahana fitokisana eo amin’ny samy mpikambana tsirairay ao anatin’ny Fikambanam-piantohana ho amin’ny fitantanana mahomby. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezan-danja ny fanatanjahantena, raha...
  • HETSIKA MOMBA NY FITATERANA : « Nahomby ny SITLM andiany fahatelo », hoy ny mpikarakara Mitàna anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny fitaterana amin’ny alalan’ny fivezivezena na anatiny na mankany ivelany indrindra amin’ny fanondranana entana vokarina eto an-toerana. Andro...
  • PUBLI-reportage UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II 038.38.138.38/037.02.037.02/033.33.633.77 Mention : Communication – Gestion. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Cours en classe, en ligne, regroupement na mampianatena amin’ny boky Technology and sciences...
  • UNIVERSITY TECHNOLOGY 038.38.138.38 UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II MENTION:COMMUNICATION.GESTION Hanohy fianarana ambony, hampiakatra karama sy toerana : reclassement.Cours en classe, en ligne, regroupement, mampianatena @ boky. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Technology...

MICC : Hentitra ny fanaraha-maso ny famerana ny vidin’entana farany ambony eny an-tsena

MICC : Hentitra ny fanaraha-maso ny famerana ny vidin’entana farany ambony eny an-tsena

MICC : Hentitra ny fanaraha-maso ny famerana ny vidin’entana farany ambony eny an-tsena
avril 12
16:30 2022

Nanatanteraka fisafoana teny amin’ny tsena Mahamasina, Anosibe ary Tanjombato ny teo anivon’ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana izay notarihan’i Ministra Edgard Razafindravahy niaraka tamin’ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy Lehiben’ny tsena ny talata 12 Aprily. Niompana tamin’ny fanaraha-maso mikasika ny famerana ny vidin’entana farany ambony teny amin’ireo toerana ireo izany fidinana tampoka izany. « Ilaina ny fandraisana andraiki-panjakana tahaka izao mba hisorohana ny fanararaotana hataon’ireo mpamongady sasany matetika ka mahatonga ny fiakaran’ny vidin’entana indrindra ireo entana ilaina amin’ny andavanandro toy ny menaka, ny vary sy ny siramamy », hoy ny mpanjifa sendranay teny amin’ny tsenan’Anosibe, Adeline Randriatsara. Ny ministra mpiahy rahateo efa nilaza fa zava-dehibe ity famerana ny vidin’entana ity ary handray fepetra hentitra raha toa ka misy mpamongady na mpaninjara tsy manaraka ny fandaminana. Araka ny tsikaritra tamin’ireo toerana naleha ireo dia voahaja daholo ny fepetra famerana. Ho fanamafisana ny fitsinjovana ny vahoaka, dia nanambara ny ministra fa mbola mitohy hatrany ny famarotana ny vary mora, sy ny vatsy tsinjo avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika mandrapiakatry ny vary vokarin’ny tantsaha eto an-toerana. Raha ny hita teny amin’ny tsenan’Anosibe manokana, ferana ho 137.000 ariary ny gony amin’ny siramamy namakia raha 2.750 ar ny vidin’ny 1 kilao farany ambony hivarotana azy, ny menaka mandry kosa 158.000 ar ny bidon raha 7.900 ar ny litatra.

Ny Lehiben’ny tsenan’Anosibe, Emile Rakotonirina izay nanamafy fa raha misy fihoara-pefy na endrika fandikan-dalàna mahakasika ireo fepetra napetraka ireo dia hiteraka fanasaziana sy fanakatonana ny tsena mihitsy izany. Miara-miasa amina fikambanana ny tenany amin’ny fanaraha-maso ity famerana ny vidin’entana farany ambony ity. Hatreto, hoy izy, mbola tsy nisy tratran’ny sazy fa manaraka ny toromarika avokoa ny mpivatotra amin’ny ankapobeny. Hitohy ihany koa ny ezaka hotanterahan’ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana momba ity ny famerana ny vidin’entana farany ambony ity, hanatontosa fidinana ifotony any amin’ireo mpanafatra any Toamasina mantsy ny Ministra Edgard Razafindravahy mikasika ny toromarika izay napetraky ny fitondrana amin’ny alalan’ny MICC. Hiroso amin’ny fampiharana ny sazy avy hatrany moa ny ministera amin’io herinandro ho avy io ho an’ireo izay tratra tsy manara-dalàna.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930