Madatopinfo

 Flash Info

TELMA MADAGASCAR : Efa tonga eto amintsika ny tambazotra 5G

TELMA MADAGASCAR : Efa tonga eto amintsika ny tambazotra 5G

TELMA MADAGASCAR : Efa tonga eto amintsika ny tambazotra 5G
juillet 02
07:11 2020

Tsy mitsahatra ny mivoatra hatrany vokatra sy ny tolotra omen’ny Telma Madagascar ho an’ny mpanjifa hatramin’izay taona maro nijoroany izay. Ankehitriny, efa misitraka ny tambazotra antsoina hoe: « 5G Ready » an’ny Telma Madagascar ny mpanjifa araka ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy 30 Jona lasa teo tamin’ny alalan’ny horonantsary sady valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety notanterahana tao amin’ny zotran-tseraseran’ny Telma Madagascar. Nandritra izany, nambara fa efa misitraka izany ny eto Antananarivo ary mbola ho avy handrakotra manerana ny Faritra eto Madagasikara ny 5G rehefa milamina ny toe-draharaha ara-pahasalamana misy amin’izao fotoana izao. Nifanindra an-dalana tamin’ny fankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena ny 26 Jona 2020 lasa teo moa ny fisian’ity tambazotra ity teto amintsika. Tombony maro tokoa mantsy no azon’ny mpanjifa mampiasa azy ity noho izy tena haingam-pandeha satria efa mihoatra 10 lavitra noho ny tanjaky ny 4G. Ankoatra izay, tsy mandany vatoaratra ihany koa ny fampiasana ny tambazotra 5G ary tsy misy fiatraikany amin’ny fahasalamana velively araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Telma Madagascar. Araka ny fantatra hatrany, tsy mila manova SIM akory ireo te hisitraka io tambazotra vaovao be eto Madagasikara io saingy kosa mila finday mahazaka 5G. I Madagasikara araka izany dia tafiditra ho isan’ireo firenena 50 voalohany misitraka ny tambazotra 5G maneran-tany ary ny Telma Madagascar no manana izany voalohany eto amintsika.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930