Madatopinfo

 Flash Info

HAKANTO CONTEMPORARY: Hita ao amin’ny Galerie Alhambra Ankadimbahoaka ireo sangan’asan’ireo artista malagasy sy vahiny

HAKANTO CONTEMPORARY: Hita ao amin’ny Galerie Alhambra Ankadimbahoaka ireo sangan’asan’ireo artista malagasy sy vahiny

HAKANTO CONTEMPORARY: Hita ao amin’ny  Galerie Alhambra Ankadimbahoaka ireo sangan’asan’ireo artista malagasy sy vahiny
mars 01
08:37 2021

Sakana iray tsy nahafahan’ny artista sy ny mpankafy niserasera ny covid-19 izay nirongatra teto Madagasikara tamin’iny taona 2020 iny. Taorian’ireny fotoana lavabe nihibohana ireny dia efa misokatra ho an’ny daholobe liana sy tia ny sangan’asana mpanakanto malagasy sy vahiny ny Galerie Alhambra etsy Ankadimbahoaka amin’ny alalan’ny tetikasa Hakanto Contemporary izay tohanan’ny Fonds de Dotation HY. Efa nanomboka ny 27 febroary lasa teo izany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 16 Mai 2021. Sangan’asa maro sy miavaka no hita ao mandritra izany. Anisan’ireo handray anjara amin’ny fampiratiana eny an-toerana i Joël Andrianomearisoa izay mitondra ny lohateny hoe: « Beyond all you are mine ». Azon’ny rehetra atao ny mitsidika izany ao an-toerana ary maimaim-poana ny fitsidihana.
Iray amin’ireo malagasy mandray anjara ihany koa i Temandrota. Mampiavaka azy amin’ny mpanao hosodoko na sary hafa ny filalaovany ny akora. « Rehefa mamorona ny tenako dia miainga amin’ny tany efitra na tsy misy. Niara-niasa tamin’ny orana sy afo aho ary manintona ahy indrindra ny fampiasan any loko mainty amin’ny sagan’asako noho izy loko mahery vaika », hoy i Temandrota. Raha ny fanazavany, tiany ny miara-miasa amin’ny tontolo na ny olombelona izany ary mitondra ny anjara birikiny ho an’ny fiaraha-monina izy ao anatin’ilay asa. Tanjony mahatonga azy hampiasa akora marefo ny hitarika ny olona hanofy. Hazo, tany, tain’omby, lakaoly, loko, lamba, vy, plastika sy finday efa simba no akora fampiasan’i Temandrota. Ity artista ity moa dia nisaotra ny Hakanto Contemporary amin’izao fanomezana toerana tahaka izao hanomezan-danja ny kanto eto amintsika. Nanamafy ny Directeur des opérations Fonds de Dotation HY, Mercedes Ratsirahonana fa tanjona ny hanome sehatra ahafahan’ny artista malagasy mivoatra mahita ny zava-misy eto an-toerana sy any ivelany.
Ankoatra izay, handray anjara amin’ny fampiratiana ihany koa i MentalKlinik sy Riana Ralay Ranaivo. Ity Hakanto Contemporary ity moa no tetikasa goavana indrindra notohanan’ny Fonds de Dotation HY hatreto raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra.

Mickah R.

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930