Madatopinfo

 Flash Info

FIKAMBANANA TOKOTANY BE : Nankasitraka ny fanapahan-kevitry ny Ben’ny Tanàna momba ny fandaminana ny « parking »

FIKAMBANANA TOKOTANY BE : Nankasitraka ny fanapahan-kevitry ny Ben’ny Tanàna momba ny fandaminana ny « parking »

FIKAMBANANA TOKOTANY BE : Nankasitraka ny fanapahan-kevitry ny Ben’ny Tanàna momba ny fandaminana ny « parking »
mars 14
18:30 2022

Niravona ny disadisa momba ilay raharaha « parking » eny Mahamasina sy ny manodidina. Tsy nandamoaka ny fihaonana tamin’ny Ben’ny Tanàna an’Antananarivo renivohitra, Naina Andriantsitohaina izay notanterahana ny marainan’ny alatsinainy 14 martsa tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Nisy ny fifampidihana niarahana taminy sy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fikambanana Tokotany be ary ireo solontenan’ny mponina mpampiasa ny toeram-pijanonan’ny fiara eny an-toerana. Naharitra ora vitsivitsy ny fifampiresahana teo amin’ny telo tonta ka nilaza ny Filohan’ny fikambanana Tokotany be, Haja fa afa-po tanteraka tamin’ny valin-tenin’ny Ben’ny Tanàna izy ireo taorian’ny fihaonana ary hiroso tsy ho ela amin’ny fanapahan-kevitra hamahana ny olana ny Ben’ny Tanàna. Raha tsiahivina, niompana tamin’ny tsy fanekena fampandoavana volabe amin’ny « parking » eny an-toerana izy ireo ka nanatanteraka hetsika fitakiana nanoloana ny « Bazar du quartier » Mahamasina ny sabosy 12 martsa lasa teo. Vola izay takian’ny SMGD na Société Municipale de Gestion Digitale, 500 isan’ora izany nanomboka ny zoma lasa teo. « 60 taona nametrahana fiara teny Mahamasina sy ny manodidina ny mponina sy ireo fokontany 4 eny Mahamasina sy ny manodidina ary ny fikambanana Tokotany be, mandoa 15.000 ariary amin’ny fokontany izahay ary mandoa 10.000 ariary hafa ihany koa an’ny CUA », hoy hatrany i Haja. Ambonin’izany, mbola manome karama ho an’ny mpanadio ny toerana sy ny mpiambina ihany koa izy ireo. Araka ny fantatra, nisy ny fifandisoana ara-pifandraisana teo anivon’ny CUA sy ny SMGD ka nahatonga izao olana izao. Nankasitraka ny Ben’ny Tanàna Naina Andriantohaina araka izany ny Filohan’ny Tokontany be sy ireo mpiara-dia taminy noho ny fanekena handray azy ireo sy nihainoana ny taraina. Nilaza ny ireo mpanao fitakiana fa hiverina amin’ny laonina avy hatrany ny fitantanana ny « parking » nahatonga ny savorovoro teo aloha ary nofoanana ihany koa ny taratasin-tsazy izay nomen’ny SMGD azy ireo.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930