Madatopinfo

 Flash Info

HUMANITE & INCLUSION: Nisitraka ny tetikasa Anjaratsara ny faritra Boeny sy Analanjirofo

HUMANITE & INCLUSION: Nisitraka ny tetikasa Anjaratsara ny faritra Boeny sy Analanjirofo

HUMANITE & INCLUSION: Nisitraka ny tetikasa Anjaratsara ny faritra Boeny sy Analanjirofo
juillet 29
08:31 2022

« Aretin’ny atidoha ny androbe ary azo tsaboina any amin’ny dokotera ». Tontosa teny amin’ny Motel Anosy ny alakamisy 28 jolay tamin’ny alalan’ny atrikasa ny famaranana ny tetikasa niarahana tamin’ny Humanité&Inclusion (HI) antsoina hoe : « tetikasa Anjaratsara ». Dingana faharoa izay nanomboka ny 2020 ka hatramin’ny volana jona 2022 ity nofaranana ity raha efa tamin’ny taona 2017 kosa ny fanatanterahana ny dingana voalohany. Faritra roa no nisitraka ity tetikasa izay novatsian’ny UCB vola ity nandritra izany, dia i Boeny sy Analanjirofo. « Miahy manokana ny olona voan’ny androbe ity tetikasa ity ary isan’ny asa notanterahana nandritra izany ny fandraisana anjaran’ny olona voan’izany teo amin’ny fiarahamonina, teo ihany koa ny sehatry ny fitsaboana sy ny velon-tenan’izy ireo manoloana ity aretina ity », hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny tetikasa Anjaratsara, Voahangy Razafindravelonantoandro. Fantatra ihany koa fa ankoatra ny mpitsabo teny amin’ny CHU, nitondra fahaiza-manao ho an’ny teny anivon’ny CSB ihany koa ny tetikasa Anjaratsara. Nanamafy ny Talem-paritry ny Fahasalama ao Boeny, Dokotera Solange Hoasy fa aretina tsy mifindra ny androbe ary rehefa maharaka ara-dalàna ny fitsaboana ny olona voan’izany dia azo sorohina tsara ny krizy ary mety tsy hitranga aminy intsony izany ka afaka manatanteraka ny asa fivelomany izy ireo. Maharitra herintaona farafahakeliny ny fanarahana ny fitsaboana ny androbe ary isan’ny mahatonga izany aretina izany ny tsy fahatomombanana ao amin’ny loha, matetika ihany koa teo am-piterahana no nahatonga izany. Tamin’ity dingana faharoa ity moa dia olona voan’ny androbe manodidina ny 400 no nisitraka ny tetikasa Anjaratsara tamin’ny alalan’ny fiantohana ny fitsaboana, ny fanohanana azy ireo ara-tsaina teo amin’ny fiatrehana ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toekarenan’izy ireo. Nanatrika ny lanonam-pamaranana ity tetikasa ity teny an-toerana ny avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, Sampandraharaha miady amin’ny aretina tsy mifindra (DLMNT), teo ihany koa ny solontenan’ireo nahazo tombotsoa tamin’ny tetikasa avy any amin’ny Faritra roa niaraka tamin’ny DRSP Boeny sy Analanjirofo, ireo fikambanana mpiara-miasa ary ny mpiara-miombon’antoka.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930