Madatopinfo

 Flash Info

CNFM : Hanolotra fanampiana ireo vehivavy tena marefo vokatry ny rivodoza

CNFM : Hanolotra fanampiana ireo vehivavy tena marefo vokatry ny rivodoza

CNFM : Hanolotra fanampiana ireo vehivavy tena marefo vokatry ny rivodoza
février 27
12:30 2022

Taorian’ny rivodoza sy rotsak’orana nisesy teto amin’ny firenena izay namela takaitra goavana teto Madagasikara, nanapa-kevitra ny hanatanteraka hetsika antsoina hoe : « Tolo-tanana voinkava-mahatratra » ny CNFM (Conseil National des Femmes de Madagascar). Notontosaina ny tontolo andron’ny sabotsy 26 febroary lasa teo teny Ankorondrano izany izay niantsoana fanampiana tamin’ny malala-tanana hanampy ireo vehivavy mpiray tanindrazana nitondra faisana tamin’izany. « Ity hetsika ity dia nosantarana sahady ny fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny vehivavy amin’ity taona ity », hoy ny filohan’ny CNFM, Estelle Andriamasy. Vola, sakafo, fitafiana, sakafo ilaina amin’ny andavanandro, fitaovana sy kojakojan-tokantrano no noraisina tamin’ny alalan’ny Tolo-tanana voinkava-mahatratra. Araka ny fampahafantarana, any Manakara no hanatanterahana amin’ny fomba ofisialy ny 8 martsa amin’ity 2022 ity ary hanatrika izany ny solontena avy amin’ny CNFM hitondra izay voaangona nandritra ny hetsika. « Ireo fikambanana ao anatin’ny CNFM kosa no hiandraikitra sy handrindra ny fitsinjarana ireo fanampiana ireo ho an’ireo vehivavy marefo vokatry ny loza voajanahary », hoy hatrany ny fanampim-panazavana. Ny faritra Fitovinany sy Atsimo atsinanana moa no hisitraka ny tolotanana amin’ity. Ho fanamarihana ny 8 martsa hatrany, hisy ny fanambarana fampasiahivina ny adisisika mikasika ny zon’ny zon’ny vehivavy tahaka ny fataon’ity fikambanana miaro ny zon’ny vehivavy ity isan-taona. Mandray anjara amin’ny fankalazana ofisialy any Manakara ihany koa ny CNFM toy ny famelabelaran-kevitra momba ny fandraharahana, resaka ny fandrindram-piterahana, ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930