Madatopinfo

 Flash Info

ADY AMIN’NY FIOVAN’NY TOETR’ANDRO : Namoaka atontan-kevitra ireo mpisehatra ara-tontolo iainana

ADY AMIN’NY FIOVAN’NY TOETR’ANDRO : Namoaka atontan-kevitra ireo mpisehatra ara-tontolo iainana

ADY AMIN’NY FIOVAN’NY TOETR’ANDRO : Namoaka atontan-kevitra ireo mpisehatra ara-tontolo iainana
juillet 04
06:30 2022

Hitan’ny mpikaroka fa misy ny fiovan’ny toetr’andro manerana izao tontolo izao amin’ny ankapobeny, miseho amin’ny endrika maro izany toy ny fahamafisan’ny herin’ny rivodoza, fitomboan’ny rotsak’orana, ny haitany. Misy fiantraikany goavana eo amin’ny lafiny ara-tontolo iainana na ihany koa ara-pomba fiainan’ny zanak’olombelona tokoa izany. Raha ho an’i Madagasikara, tsapa ho isan’ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro ny tsy fisian’ny orana, ny firotsahan’ny rotsak’orana be loatra amin’ny faritra sasany, miova ny morontsiraka, ny ala ihany koa miha mihemotra. Hanamafisana indray ny ady amin’izany fiovan’ny toetr’andro izany, nisy ny atrikasa nampahafantarana ny atontan-kevitra mirakitra ireo toerana manan-danja ara-tontolo iainana misy eto anivon’ny Ranomasimbe Indiana ka Nosy 4 no voakasik’izany: Comores, Seychelles, Maurice ary Madagasikara. Tetikasa izay vatsian’ny CEPF (Critical Ecosystem Partnership Fund) tohanan’ny FVC na Fonds Vert pour le Climat. Ho an’i Madagasikara manokana, naharitra 9 volana ny fanatanterahana ny fanangonana ny atontan-kevitra ka natolotra ny zoma 1 Jolay lasa teo teny amin’ny Carlton Anosy izany ary natrehan’ireo mpisehatra ara-tontolo iainana isan-tsokajiny.
Atontan-kevitra izay nangonin’ireo manam-pahaizana sy mpiara-miombon’antoka misehatra ara-tontolo iainana ka atolotra an’ny CEPF, niompana tamin’ny fomba fitantanana ao anatin’ilay Nosy sy ireo toerana manan-danja hahafahan’ny CEPF mamatsy vola indray ny tetikasa ho amin’ny 10 taona manaraka hampiroboroboana ny toerana na amin’ny zava-manan’aina ho entina hiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro izany. Nampahafantarina tamin’ny alalan’ny atrikasa ho fandinihana izany atontan-kevitra vaovao moa izany. Nanambara araka izany ny Filoha Lefitry ny Conservation International, Sahondra Rajoelina fa : « Amin’ny maha mpisehatra ara-tontolo iainana ny Conservation International dia tsy miraviravy tanana izy ireo fa mandray anjara mavitrika tandrify azy ».

Micka R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031