Madatopinfo

 Flash Info

FANJAKANA : Milaza hiasa am-pahamendrehana ireo “Madio” vita fianarana

FANJAKANA : Milaza hiasa am-pahamendrehana ireo “Madio” vita fianarana

FANJAKANA : Milaza hiasa am-pahamendrehana ireo “Madio” vita fianarana
août 02
09:20 2021

« Mianiana aho fa hanantanteraka antsakany sy andavany ny andraikitra apetraky ny fanjakana amiko, ka hiasa am-pahamendrehana sy am-pahamarinana ary hitandro mandrakariva ny tombontsoan’ny daholobe ao anatin’ny fanajana ny lalam-panorenana sy ny didy aman-dalàna manan-kery ». Izany no votoatin’ny fianihanana nataon’ireo mpitantana raharaham-panjakana ambony vaovao na « Administrateurs civils » vao nahavita fianarana tao amin’ny ENAM na Ecole Nationale d’Administration de Madagascar. Lanonam-pitsarana manetriketrika no natao ny 29 jolay tamin’ny 10 ora maraina tetsy amin’ny Fitsarana an-tampony Anosy, izay natao handraisana ny fihanihanan’ireo ho mpitantana raharaham-panjakana ambony mihisa enina amby telopolo mianadahy.
“MADIO” io no anarana nisaloran’izy enina amby telopolo mianadahy izay andiany faha valo amby roapolo, izy ireo dia niofana roa taona ary handray avy hatrany ny andraikitra izay homena azy ireo. Izy enina amby telopolo mianadahy dia hisahana andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana sy ao amin’ny Ministeran’ny Asa sy Fampananana Asa sy Asam-panjakana ary ny Lalàna sosialy.
Araka ny nambaran’ i Maitre Robinson Rakotonavalona Ranary ; filohan’ny fitsarana fandravana (Cours de Cassation) eto amin’ny Fitsarana an-tampony eto Madagasikara izay sady nitarika izao lanonam-pitsarana izao: Ireo tompon’andraikitra ambony, ireo mpiasam-panjaka ambony rehetra dia tsy maintsy manao fihanihanana eo amin’ny fitsarana mialoha ny handraisan’izy ireo ny andraikitra izay ampanirahana azy, ary tsy afaka mandray ny asany mihitsy izy ireo raha tsy vita io fihanihanana io. Masina ny fihanihanana hoy ihany ity farany ka anjaran’ny tsirairay no mahafantatra any an’eritreriny hoe voahajany ve ny fihanihanana nataony, «aleo enjehin’ny omby masiaka toy izay enjehin’ny eritreritra, « Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tapon’ny loha», ary tsy ataotao foana ny fianianana fa manaraka eny foana izany any amin’izay asa hanendrena azy ireo. Tsy adinony ihany koa anefa ny nitso-drano azy enina amby telopolo mianadahy, hahavita antsakany sy andavany ny asa ampanirahana azy ireo mba ho mendrinka ny anarana nisalorana dia ny «MADIO »izany mba ho madio toy izay hatrany izy ireo amin’ny sehatry ny asa,haneho fahendrena ankoatry ny fahaizana amam-pahalalana ; « izay manetry tena no asandratra », aza mandeha irery fa miaraha amin’Andriamanitra, aza mitsahatra mivavaka.
Anisan’ny niatrika ity lanonam-pitsarana manetriketrika ity sy nitsodrano ireto andiany ireto ihany koa moa Gisèle Ranampy Minisitry ny Asa ny Fampanana Asa sy Asam-panjakana ary ny lalana sosialy. Araka ny nambarany dia arakaraky ny filan’ny ministera izay manao fangatahana ary koa arakaraka ny “Postes Budgetaires”n’ny fanjakana no hamolavolana ireo Admininstrateurs civils, ary izy ireto dia efa miandry ny fanendrena na ny « affectation ».
Raha tsiahivina, araka ny fanazavan’Andriamatoa Ny Aina Lucas Michel Rakotoarivony izay « Major de promotion de concours » tamin’ny taona 2018 ary mbola « Major de promotion »ihany koa tamin’ity tarika MADIO 2020 ity: ny «Administrateurs civils » dia « corps inter-ministériels » sy « inter-institutionnels », ka miandraikitra ny fandrindrana ankapobeny, ny famolavolana ifotony ary misahana ny asan’ireo solotenam-panjakana eny amin’ny vondrombahoaka hitsinjaram-pahefana dia eny amin’ny kaominina sy ny faritra izany. Izy ireo izay manana vina ny hanandratra avo ny hasin’ny asam-panjakana ary hitondra fanatsarana ankapobeny amin’izany. Mba hitondra fandrosoana an’i Madagasikara, hanompo ny firenena sy ny vahoaka Malagasy, satria hoa azy manokana dia ankoatra ny nianarany tao amin’ny fianarana noratoviny tao amin’ny ENAM dia efa nanovo fianarana mahakasina ny « Droit Publique »ny tenany.
Koa miandrandra ny fahatanterahan’ny fihanihanana nataon’ireto mpiasam-panjaka ambony ireto izany ny vahoaka ifotony.
Hanitra Rasolonjatovo

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930