Madatopinfo

 Flash Info

GFEM: Faritra 4 no hisitraka ny tetikasa tohanan’ny CIR

GFEM: Faritra 4 no hisitraka ny tetikasa tohanan’ny CIR

GFEM: Faritra 4 no hisitraka ny tetikasa tohanan’ny CIR
septembre 26
06:17 2022

Isan’ny fanoitra amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fandraharahana..Efa manomboka mahazo vahana sy mivelatra ny vehivavy malagasy eo amin’io sehatra io. Na izany aza, mila tosika sy ezaka hatrany izany ka hitondra anjra birikiny amin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana ho an’ireo vehivavy mpandraharaha ny GFEM na Groupement des Femmes Entrepreuneurs à Madagascar. Raha ny fampahafantarana ny zoma lasa teo teny Antaninarenina izay natrehan’ny Mpandrindra Nasionalin’ny CIR, Johny Raharindranto, Faritra 4 amin’iny lalampirenena fahafito iny no hisantarana izany fiofanana izany: Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony ary Ihorombe. « Vontoantin’ity fitetezam-paritra ity ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo vehivahy mpandraharaha amin’ny sehatra sy hafa. Hisy ny lahadinika mikasika ny lalam-barotra anatiny sy iraisampirenena, eo ihany koa ny lafiny famatsiam-bola amin’ny alalan’ny banky sy ny fampahafantarana ny tolotra ao aminy, ny trano fiantohana », hoy ny Filohan’ny GFEM, Fanja Razakaboana. Ankoatra izay, tanjona amin’ity fizarana traikefa ity ny hahatrarana vehivavy manodidina ny 120 hisitraka ny fiofanana mandritra io fidinana ifotony io. Ity tetikasa ity moa dia tohanan’ny CIR (Cadre Integrité Renforcé) ary eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930