Madatopinfo

 Flash Info

FE-POTOAM-PIASAN’NY BEN’NY TANANA: Hitondra fampandrosoana ny fanitarana azy ho 5 taona

FE-POTOAM-PIASAN’NY BEN’NY TANANA: Hitondra fampandrosoana ny fanitarana azy ho 5 taona

FE-POTOAM-PIASAN’NY BEN’NY TANANA: Hitondra fampandrosoana ny fanitarana azy ho 5 taona
décembre 18
12:16 2023

Taorian’ny nandanian’ny Solombavambahoaka tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana ny alakamisy ny 14 desambra 2023 tety amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny Tolo-dalàna laharana faha-02-2023/PPL/Sénat manova ny tovan’ny Lalàna n°2018-011 tamin’ny 11 jolay 2018 manova sy mameno ny andininy sasantsasany ao amin’ny Lalàna n°2014-020 tamin’ny 27septambra 2014 mahakasika ny Vondrom-bahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana, nanambara ny Ben’ny Tanàna voafidy tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Mafaijijo, Distrika Maintirano, Faritra Melaky, Andriamatoa Raymond Tsiresy, nilaza ny tenany fa zava-dehibe ho an’ireo olom-boafidy izany satria tsy ampy hametrahana ny vina ilay 4 taona.
« Isaorana ireo Solombavambahoaka nandany io tolo-dalàna io, hitondra fampandrosoana ny Kaominina izany noho ny fitovian’ny hafainganam-pandeha ho 5 taona », hoy ity Ben’ny Tanànan’ny Mafaijijo ity. Matetika ihany koa 5 taona ny faharetan’ny fandaharan’asa avy amin’ny mpamatsy vola ho an’ny Kaominina, raha ny nambarany hatrany. Tahaka izany ihany koa ny Mpanolontsainan’ny Kaominina, nilaza izy fa tsy tokony hanara-drenirano na ho «fanatisme» fotsiny izy ireo na mitovy loko politika aza fa rehefa misy tsy mety ataon’ny Ben’ny Tanàna dia tokony hanana fahasahiana hitsikera.

Fandriampahalemana ao Mafaijijo

« Raha azo lazaina nilamina ny tany teo amn’ny Kaominina ambanivohitra Mafaijijo teo aloha, somary narisarisa kosa izany amin’izao fotoana izao », raha ny nambaran’ny Ben’ny Tanàna Raymond Tsiresy. Araka ny fanehoan-keviny, ahiana nahatonga izany ny lafiny ara-politika, eo ihany koa ny tsy fahampian’ny isan’ny mpitandro filaminana any an-toerana sy ny tsy fandraisana andraikitry ny olompirenena tsirairay. Ka antenainy mandritra ny fitondrana vaovao izay tarihan’ny Filohampirenena voafidim-bahoaka Andry Rajoelina ny hijerena manokana ity lafiny fndriampahalemana ity. Tafiditra ao anatin’ny laharampahamehan’ny Ben’ny Tanàna Raymond Tsiresy rahateo ny fampanjakana ny filaminana eo anivon’ny Kaominina iadidiany.
Ny Ben’ny Tanàna eo anivon’ny Kaominina Mafaijijo moa dia tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana fametrahana amin’ny fomba ofisialy sy fianinan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina izay notanterahana teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny sabotsy 16 desambra lasa teo. Maneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny fitondram-panjakana izay mijoro ny tenany. Ho azy, na efa hifarana afaka volana vitsivitsy aza ny fe-potoam-piasany, mbola mitohy ny asa fampandrosoana eo anivon’ny Kaominina Mafaijijo.

Sary tahiry

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930