Madatopinfo

 Flash Info

OSCEAH MADAGASCAR: « Hampitomboina ny tahan’ny olona marefo misitraka ny rano, fidiovana sy fanadiovana »

OSCEAH MADAGASCAR: « Hampitomboina ny tahan’ny olona marefo misitraka ny rano, fidiovana sy fanadiovana »

OSCEAH MADAGASCAR: « Hampitomboina ny tahan’ny olona marefo misitraka ny rano, fidiovana sy fanadiovana »
octobre 15
06:15 2020

Tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy fahaenina na ODD6 ny fahazoana rano madio, fidiovana sy fanadiovana hatramin’ny taona 2030. Raha ny eto Madagasikara, dia fantatra fa mbola ambany ny tahan’ny olona mahazo ny rano fanadiovana sy fidiovana ary zara raha misy 1 isan-jato ny olona marefo misitraka izany zo fototra izany.
Mba ahatrarana io vinan’ny ODD6 io indrindra no nahatonga ny ny Firahamonim-pirenena misehatra eo amin’ny Rano, Fanadiovana ary Fidiovana na OSCEAH nanatanteraka atrikasa fandinihana mba hamantarana ireo fomba fanao tsara ahafahan’ny vahoaka sahirana, marefo ary mahantra misitraka ny tolotra fanadiovana sy fahadiovana ary koa handrenesana ny feon’izy ireo sy hiarovana ny zony hisitraka izany. Ny tapak’andron’ny alarobia 14 Oktobra teny Antanimena no nanatontosaina izany ary ny WaterAid sy ny WSUP no nandray anjara tamin’ny atrikasa. Tanjona amin’ny akapobeny ny hisitrahan’ny olona tena marefo misitraka ny rano fidiovana sy fanadiovana amin’ny alalan’ny fanamafisana ny traikefan’ireo Fiarahamonim-pirenena ahafahan’izy ireo manatanteraka ny asany sy manohana ireo olona voalaza ireo ary koa manao adisisika eo anatrehan’ireo ambaratongam-pahefana. Ity atrikasa ity araka izany dia nandinihana manokana ireo olona marefo sy any amin’ny tany lavitr’andriana eo amin’ny lafiny rano, fidovana sy fanadiovana. « Izao no natao dia entina hanampiana ny Ministeran’ny rano ahafahana mahatratra io tanjon’ny ODD6 io. Aorian’ny fakan-kevitra mantsy dia atolotra eo anivon’ny fitondram-panjakana ny fehin-kevitra nivoitra niarahana tamin’ireo mpisehatra namolavola izany », hoy ny Filoha Nasionalin’ny OSCEAH, Arsène Raveloson. Raha ny vokatra andrasana amin’ny faran’ity atrikasa ity indray dia ny ahafantarana ny fomba famatsiam-bola ho an’ireo tena voahilikilika, eo ihany koa ny fomba fakan-kevitra amin’ny olom-pirenena ao anatin’izany ny olona voahilikilika. Ankoatra izay, hofaritana ny fomba sy paikady hikendrena ireo voahilikilika sy ny fomba entina mandre ny feon’izy ireo. Tsiahivina, efa nanatanteraka atrikasa teto amin’ny faritra Analamanga sy tany Haute Matsiatra ary Alaotra Mangoro ny OSCEAH.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930