Madatopinfo

 Flash Info

42 ANTANANARIVO AXIAN GROUP: Mpianatra 150 no horaisina amin’ny andiany voalohany

42 ANTANANARIVO AXIAN GROUP: Mpianatra 150 no horaisina amin’ny andiany voalohany

42 ANTANANARIVO AXIAN GROUP: Mpianatra 150 no horaisina amin’ny andiany voalohany
juin 05
08:30 2023

Miankina amin’ny tontolon’ny nomerika sy informatika ny ankabeazan’ny asa sy ny fianarana amin’izao vanim-potoana izao, tsy afa-misaraka amin’ny andavanandron’ny olona araka izany ireo. Izany indrindra no antom-pisian’ny 42 Antananarivo etsy Andraharo, sekoly manaraka ny endri-panabeazana manavao. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 2 Jona lasa teo ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Vondrona Axian sy ny sekoky 42 Antananarivo ary ihany koa nanambarana ny fisokafan’ity sekoly vaovao ity. Informatika no taranja hofanina mandritra ny taom-pianarana, mpianatra 150 kosa no horaisina amin’ny andiany voalohany. « Efa misokatra ny fisoratana anarana ao amin’ny tranokala, tsy misy fepetra manokana momba ny diplaoma ary maimaim-poana 100% ny fiofanana, izany hoe, tsy misy saram-pianarana alohan’ny mpianatra », hoy ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny Vondrona Axian, Ravaka Rakotoarimanana. Raha ny fantatra, tsy misy mpampianatra na ihany koa taranja akademika izany ary fianarana mifototra amin’ny tetikasa sy asam-bondrona. Tombony ho an’ny mpiofana ny fisitrahana fampianarana tsara kalitao amina toerana malalaka, eo ihany koa ny fotodrafitrasa efa misy ny fitaovana rehetra toy ny solosaina miampy ny «connexions». Miompana amin’ny fitadidiana sy ny zohin-kevitra kosa ny fanadinana fitsapana ho an’ireo maniry ny hiditra ao amin’ny sekoly 42 Antananarivo Axian Group. Raha ny fomba fisoratana anarana indray, dia efa azo atao ny manatanteraka izany ao amin’ny rohy https://apply.42antananarivo.mg/users/sign_in.
Hanampy ny ho avin’ny mpianatra hahavita fiofanana araka izany ny fisokafan’ity sekoly vaovao ity satria aorian’ny fampianarana dia hanana traikefa eo amin’ny tontolon’ny nomerika sy ny tambazotra an’habaka izy ireo.

M.R

Sary fanehoana: Ⓒ︎ 42 Antananarivo

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930