Madatopinfo

 Flash Info

BOKY DIARY NOFY: Haparitaka tsy ho ela manerana ny Nosy ny endriny « audio »

BOKY DIARY NOFY: Haparitaka tsy ho ela manerana ny Nosy ny endriny « audio »

BOKY DIARY NOFY: Haparitaka tsy ho ela manerana ny Nosy ny endriny « audio »
décembre 07
18:52 2020

Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fanabeazana ny vaky boky satria mampitombo ny fahalalana sy mamparanin-tsaina ny ankizy indrindra ho an’ireo eny anivon’ireny sekoly ambaratonga fototra (EPP) ireny. « Tsy mba tafiditra ao anatin’ireo 10 voalohany izany mihitsy aho hatramin’izay fa any amin’ny faha-16 foana no laharana nisy ahy tao an-dakilasy rehefa mivaly ny fanadinana. Amin’izao kosa dia mahazo laharana voalohany ny tenako rehefa nazoto namonjy ivon-toeram-pamakiam-boky », hoy ny fijoroana vavolombelona nataona tovovavy mpianatra iray.
Misy mantsy ny tetikasa « Diary Nofy » izay entina hanohanana ny mpianatra eny amin’ny EPP manerana an’i Madagasikara, boky ahitana tantara noforonina ao anatin’izany. Nampahafantarina ny tolakandron’ny sabotsy 5 Desambra lasa teo teny amin’ny Campus Telma Andraharo kosa ny « Diary nofy » amin’ny endriny « audio » na ilay antsoina hoe: « audiobook ». Ahitana tantara 10 ao anatin’izany, 5 amin’ny fiteny malagasy ary 5 ihany koa amin’ny fiteny frantsay. « Tanjona ny hanohanana ny mpianatra eny amin’ny EPP, hampiakarana ny kalitaon’ny fampianarana eto Madagasikara sy hampiroborobo ny fitiavan’ny ankizy mamaky boky ary indrindra hampihena ny tahan’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra eto Madagasikara », hoy ny Filohan’ny Teach for Madagascar (TFM), Valérie Ramaherison. Ny Fondation Axian moa dia isan’ireo angady nananana sy vy nahitana amin’ny famoahana ity vokatra Boky Diary Nofy ho « audiobook » ity. Ny fanabeazana rahateo dia tafiditra ao anatin’ireo sehatra 4 lehibe iadidian’ny Fondation Axian. Manamafy izany ny Directeur Exécutif – Fondation Axian, Isabelle Salabert: « mifanentana amin’ny laharam-pahamehana ho an’ny Fondation Axian ny Diary Nofy, ka izay no antony hanohanana ity tetikasa ity ».
Araka ny fantatra, hiara-hisalahy amin’ny fanaparitahana ireo vokatra ireo ny Fondation sy ny TFM miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Raha ny fanampim-baovao voaray dia hozaraina miaraka manerana ny EPP rehetra isaky ny Faritra ny Boky Diary Nofy sy ny « audiobook » indrindra ho an’ireo sekoly any ambanivohitra. Hanomboka amin’ny taona ho avy kosa no ny fitsinjarana izany ary hisitraka izany avokoa ny mpianatry ny EPP eto Madagasikara. Nampahafantarina tamin’io sabotsy io ihany koa moa ireo Ambasadaoron’i Diary Nofy telo mianadahy: Geoffrey Gaspard, Marie Christina Kolo ary Claudia Pichler.
Tsiahivina fa ny ONG Friends of Madagascar miaraka amin’ny fikambanana TFM no nanangana fifaninanana tantara tamin’ny alalan’ny hetsika fanabeazana, hampiroboroboana ny haren’ny kolontsaina malagasy ka nahatonga ny tetikasa « Diary Nofy » tamin’ny Oktobra 2019. Taorian’ny lanonana fampahafantarana izay natrehan’ny Ben’ny Tanàna an’Antananarivo renivohitra sy ny solontenan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ary ny ekipan’ny Fondation Axian moa dia nisy ny seho miavaka notontosain’ny Zara Aina ary narahina hira fanelanelanana nokaloin’i Jaojoby.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930