Madatopinfo

 Flash Info

HUMANITE & INCLUSION: Hitohy mandritra ny 3 taona manaraka ny tetikasa Mahatsangy

HUMANITE & INCLUSION: Hitohy mandritra ny 3 taona manaraka ny tetikasa Mahatsangy

HUMANITE & INCLUSION: Hitohy mandritra ny 3 taona manaraka ny tetikasa Mahatsangy
décembre 17
02:58 2021

Mbola maro ny olona manana fahasembanana no tsy misitraka ny zony araka ny tokony ho izy eny anivon’ny fiaraha-monina eny, isan’izany ny fanilikiliana, ny lafiny ara-pahasalamana sy ny maro hafa. Ho fanampiana azy ireny, nisy ny tetikasa antsoina hoe: “Mahatsangy” izay tanterahan’ny Humanité&Inclusion amin’ny alalan’ny famatsiam-bola avy amin’ny DCI Monaco. 3 taona no faharetan’io tetikasa io, nanomboka tamin’ny 1 Janoary 2019 ary hifarana amin’ity volana Desambra 2021 ity. Fikambanana 7 ao anatin’ny Faritra Diana, Matsiatra Ambony, Analamanga ary Vakinankaratra kosa no nisitraka ny Mahatsangy nandritra izany. AJFACE, AMIS, APHATA, FAAM, FANARENANA, UNHAM ary Les orchidées blanches moa ireo fikambanana ireo. “Ny tetikasa mahatsangy dia miompana amin’ny fanomezana fiofanana amin’ny lafiny teknika sy fahazain’ireo fikambanana mitady loharanom-bola hanatsarana ny fisitrahan’ny olona manana fahasembanana ny zony”, hoy i Soariziky Hasna, Area Manager Diana. Ho fanohanana sy fampiroboroboana hatrany ny zon’ny olona manana fahasembanana ao anatin’ireo fikambanana voatanisa ireo, mbola hitohy mandritra ny 3 taona indray ny tetikasa Mahatsangy. Tanjona mantsy ny hanohanana ireo fikambanana 7 ireo ahafahany mizaka tena ka hanohy ny asany ho an’ny olona manana fahasembanana ary indrindra tsy hiankin-doha amin’ny lafiny famatsiam-bola intsony. Hahatrarana izany, laharampahamehana ny fametrahana ny AGR na ny asa fiahiana mampitombo ny fidiram-bola, eo ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknika ireo mpiasa ao anatin’ny fikambanana tsirairay ary ny fampahafantarana misimisy kokoa ny fikambanana. Ankoatra izay, nisy ny fampirantiana ny vokatra sy fampahafantarana ny fikambanana tsirairay teny Anosy, omaly, ary nahatonga solontena avy ny isam-paritra voakasiky ny tetikasa. Tsiahivina, tao anatin’izay 3 taona izay dia nahitam-pivoarana ireo fikambanana ireo tamin’ny alalan’ny fisian’ny “réseau zara” izay nanamorana ny fiaraha-miasa, fifanampiana ary fizarana traikefa. “Ny réseau zara moa dia manamafy ny adisisika mikasika ny zon’ny olona manana fahasembanana, sy ny fiahiana azy ireny eo anivon’ny fiaraha-monina na eo amin’ny lafiny fanabeazana, na fahasalamana , na ihany koa arak’asa”, hoy ny tompon’andraikitra voalohan’ny tetikasa Mahatsangy, Ny Aina Andriamiharinjatovo. Nitondra ainga vao ho an’ireo mpisitraka ny tetikasa araka izany ny fisian’ny Mahatsangy nandritra izay 3 taona izay ary antenaina hanome fanatsarana hatrany azy ireo ny 3 taona ho avy.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031