Madatopinfo

 Flash Info

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR: Nahazo « maison digitale » ho an’ny vehivavy ny Fokontany Andakana

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR: Nahazo « maison digitale » ho an’ny vehivavy ny Fokontany Andakana

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR: Nahazo « maison digitale » ho an’ny vehivavy ny Fokontany Andakana
mai 30
07:30 2022

Tsy mitsahatra mampiroborobo ny sehatra ara-tsosialy ny Orange Solidarité Madagascar nandritra izay taona maro nijoroany izay amin’ny alalan’ireo fandaharan’asa ao aminy. Isan’ireo ny fananganana fotodrafitrasa manaraka ny tontolo nomerika. Notokanan’ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord sy ny filohan’ny Orange Solidarité Madagascar, Benja Arson, ny zoma 27 Mey lasa teo ny « maison digitale » ho an’ny vehivavy etsy Andakana Anosiala. Ny Orange Solidarité Madagascar niaraka tamin’ny kaoperativam-behivavy Ankazo Anosiala (COFAA), ny Fokontany Andakana, ny komity 08 Marsa Distrika Anosiala, ary ny Fondation Orange moa no niara-nisalahy tamin’ny fananganana ity fotodrafitrasa vaovao napetraka ity ary ny COFAA kosa no handray ny fitantanana izany. Io « maison digitale » io dia ahafahana manamafy ny fanofanana amin’ny fisorohana ny herisetra mianjady amin’ny lahy sy ny vavy. “Ny maison digitale ho an’ny vehivavy dia fandaharana iray tena zava-dehibe. Mpisehatra amin’ny fampandrosoana, maniry hianatra ary tena mangetaheta fizakan-tena mantsy ny vehivavy. Ny maison digitale ho an’ny vehivavy araka izany dia mahafeno io filàna manokana io. Tafiditra ao anatin’ny fiofanana nomerika ihany koa ny fanaovana ny vehivavy ho mahaleotena kokoa”, hoy ny fanazavan’i Frédéric Debord.

Omen-danja hatrany ny nomerika

Afaka handraisana vehivavy 30 isaky ny fotoam-pivoariana ny « maison digitale » ao Andakana io izay tafatsangana tamin’ny alalan’ny famatsiam-bola avy amin’ny Fondation Orange. Ankoatra izay, laptops miisa 10, tablettes 20, serveurs Raspberry, mpanonta printy, fanamafisam-peo ary kojakoja isan-karazany no notolorana niaraka tamin’ity fotodrafitrasa ity nandritra ny lanonam-pitokanana. Fanampin’izay, natsangana eo anivon’ny « maison Digitale » ihany koa ny vondrona fitehirizam-bola ahafahan’ny vehivavy mahazo tombony sy misitraka amin’ny famatsiam-bola ny tetikasany. « Iray amin’ireo laharam-pahamehan’ny Orange Solidarité ny fampiroboroboana kokoa ny nomerika , manohana ny vehivavy marefo sy sahirana izahay amin’ny fanomezana hery azy ireo. Noho ny maison digitale ho an’ny vehivavy izay notokanana dia afaka miofana amin’ny fampiasana fitaovana informatika nomerika avokoa ny vehivavy eo anivon’ny kaominina”, hoy i Benja Arson. Ny « maison digitale » rahateo moa dia fandaharan’asa mikendry ny hampiroborobo ny fampidirana eo amin’ny sehatry ny matihanina ny vehivavy, amin’ny fanomezana azy ireo fahafahana hahafantatra ny fitaovana nomerika sy ny rindrambaiko fototra. Fotodrafitrasa izay ahafahan’ny vehivavy aman-jatony mahazo tombony amin’ny fomba fianarana vaovao sy maimaimpoana. Tsiahivina fa hatramin’ny taona 2013, vehivavy maherin’ny 9.000 no nisitraka fiofanana tamin’ny alalan’ny « maison digitale » ary faha-40 ity najoro tao amin’ny Distrika Anosiala ity.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930