Madatopinfo

 Flash Info

BANKY BMOI: Nanokatra masoivoho vaovao faha-20 eny Alasora By-pass

BANKY BMOI: Nanokatra masoivoho vaovao faha-20 eny Alasora By-pass

BANKY BMOI: Nanokatra masoivoho vaovao faha-20 eny Alasora By-pass
août 29
09:30 2020

Lalana ifamezivezen’ny olona maro ny eny amin’iny By-pass iny. Isan’ny mampitaraina ny olona mandalo eny an-toerana matetika ny tsy fisian’ny banky. Ho famaliana ny hetahetan’izy ireo dia nanokatra masoivoho eny Alasora By-pass ny banky BMOI. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny marainan’ny zoma 27 Aogositra lasa teo izany. Raha ny fantatra, masoivoho faha-20 ity vao nisokatra ity. Tsy misahirana intsony ihany koa ny mpanjifa mitondra fiara, na moto satria ahitana « parking » malalaka eny amin’ity masoivoho vaovao ity. Ny toerana rahateo mora tazana sady amoron-dalana ary azo antoka ny lafiny filaminana. Ankoatra izay, mpiasa efa za-draharaha sy manana traikefa no ekipan’ny BMOI miasa ao.
Hahazo tombony araka izany ny mponina eny amin’ny Kaominina Alasora sy ny manodidina amin’ity fisokafan’ny banky vaovaon’ny BMOI ity. Araka ny fanazavana voaray, misokatra amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 4 ora tolakandro ny ora ny BMOI Alasora By-pass izay manomboka ny alatsinainy hatramin’ny zoma. Raha ho an’ireo mpanjifa mikirakira ny karatra VISA kosa dia afaka misitraka izany tsy tapaka mandritra 24 ora amin’ny 24 ora, 7 andro amin’ny 7 andro.
Midika izany fa miezaka manakaiky ny mpanjifany hatrany ny banky BMOI ao anatin’ny vondrona BCP hatramin’izay taona maro nijoroany izay. Na dia eo aza ny hamehana ara-pahasalamana sy ny fihibohana eto amintsika amin’izao fotoana izao, dia tsy mahasakana ny BMOI hanohy ny sy hanatanteraka ny tetikasany izany ho fitsinjovana hatrany sy ho fanomezana fahafaham-po ho an’ny mpanjifany.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031