Madatopinfo

 Flash Info
  • MVOLA SY VOILADOC : Miara-miasa ho fisitrahan’ny malagasy tolotra ara-pahasalamana azo antoka Isan’ny zo fototry ny olona tsirairay ny fahasalamana, noho ny tsy fahampiana sy ny halaviran’ny toeram-pitsaboana amin’ny toerana sasany anefa dia maro ny olona indrindra any ambanivohitra no tsy misitraka...
  • FIKAMBANAM-PIANTOHANA M.A.MA: Mitohy ny fampiroboroboana ny taranja ara-panatanjahantena Tanjon’ny orinasa Malagasy M.A.MA (Mutuelle d’Assurance MAlagasy) ny hametrahana fitokisana eo amin’ny samy mpikambana tsirairay ao anatin’ny Fikambanam-piantohana ho amin’ny fitantanana mahomby. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezan-danja ny fanatanjahantena, raha...
  • HETSIKA MOMBA NY FITATERANA : « Nahomby ny SITLM andiany fahatelo », hoy ny mpikarakara Mitàna anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny fitaterana amin’ny alalan’ny fivezivezena na anatiny na mankany ivelany indrindra amin’ny fanondranana entana vokarina eto an-toerana. Andro...
  • PUBLI-reportage UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II 038.38.138.38/037.02.037.02/033.33.633.77 Mention : Communication – Gestion. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Cours en classe, en ligne, regroupement na mampianatena amin’ny boky Technology and sciences...
  • UNIVERSITY TECHNOLOGY 038.38.138.38 UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II MENTION:COMMUNICATION.GESTION Hanohy fianarana ambony, hampiakatra karama sy toerana : reclassement.Cours en classe, en ligne, regroupement, mampianatena @ boky. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Technology...

FIFIDIANANA 2023 «Miankina amin’ny enti-miatrika ny ho fandraisana anjaran’ny Malagasy any ivelany»

FIFIDIANANA 2023 «Miankina amin’ny enti-miatrika ny ho fandraisana anjaran’ny Malagasy any ivelany»

FIFIDIANANA 2023 «Miankina amin’ny enti-miatrika ny ho fandraisana anjaran’ny Malagasy any ivelany»
février 04
07:44 2023

Taonan’ny fifidianana ho Filoham-pirenena ity taona ity, milaza ho vonona hatrany ny CENI ary miezaka mitady vahaolana hatramin’ny fahafahan’ny havana any dilam-bato mifidy. 9 675 145 ireo tafiditra anaty lisitry ny mpifidy, afaka manatona Fokontany ireo mbola tsy voasoratra.

Hisikina ! Izay no mahalaza ny risimpon’ireo ekipan’ny CENI hihoaran’izy ireo ny karazana olam-pifidianana. Mazoto ary milaza ho mafana fo hanatanteraka izany amin’ity taona ity ny fifidianana CENI na dia tsy ampy aza hatreto ny enti-manana. Misokatra hatrany ny adihevitra sy vahaolana “Miankina amin’ny fahampiana loharanom-bola, olombelona, fotoana ary lalàna no anisan’ny ahafahan’ny teratany Malagasy any Dilambato handray anjara amin’ny fifidianana.” Hoy i Andoniaina Andriamalazaray, Filoha lefitra voalohan’ny CENI, nandritra ny tafa hoan’ny mpanao gazety, ny zoma 3 Febroary farany teo, tao amin’ny foibeny teny Alarobia. Raha ny fe-potoana fanomanana, nambarany anefa fa efa fohy, kanefa izay nandray fitenenana ireo lohandohan’ny mpisoron’ity vaomieram-pirenena mahaleo tena ho an’ny fifidianana ity dia nampiseho fahavononana avokoa.
Azo heverina fa sarotra ho azy ireo ny hitsipaka ny fampanantenan’ny Filoham-pirenena hampandray anjara amin’ny fifidianana an’ireo Malagasy any ampitan-dranomasina. Kanefa nasiany tsindrim-peo fa miezaka haleo tena hatrany izy ireo. Tapakevitra ny hitady paikady sy vahaolana hatrany. “Tsy maintsy misy ny fifidianana ho Filoham-pirenena amin’ity taona ity.” Araka ny nambaran’ny Filohan’ny CENI, Dama Arsène Andrianarisedo. Niantso ireo mpiara-miombon’antoka izy ho amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Voalazan’ny PNUD tamin’ny CENI fa : “Miseho amin’ny endrika maro ny fanampiana ary vonona hatrany amin’ny fiaraha-miasa”. Nilaza ny Filohan’ny CENI fa tsy hisy intsony ny “doublon”.
Hihemotra ny fifidianana Ben’ny tanana
Raha ny fanazavan’ny Lehiben’ny CENI, ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ho Filoham-pirenena sy ny ho Solombavambahoaka no tsy afaka mifanindry. Kanefa natsidiny ihany fa mety ihemotra ny ho fifidianana Ben’ny Tanana, raha ny hevitra tian’ny ny lalana velona ampitaina mahakasika ny fifidianana sy ny fitsapankevibahoaka. Mba tsy hifanindry ny fampielezankevitra rah any fahazoana ny lalana. Mitondra ny soso-kevitra hatrany moa no anjaran’ny CENI ary voalaza fa misokatra amin’ny ady hevitra mikasika izany fifandrifian’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasana roa, an’ny Filohaù-pirenena sy ireo Ben’ny Tanana ary ny Mpanolontsainan’ny tanana ny ekipan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana. Nivoitra nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny CENI fa tsy manda ny andraikiny izy ireo saingy miandrandra fiaraha-miasa amin’ny mpiantsehatra sy ny olompirenena. “ Mangataka sosokevitra izahay tsy mahazo kanefa rehefa miala eo, tonga ny tsikera”, araka ny nambaran’ny Filohany, Dama Arsène Andrianarisedo. Hivoaka tsy ho ela ny tetiandron’ny fifidianana ho Filoham-pirenena, raha ny fanambaran’ny Filohan’ny CENI hatrany.
Hentitra ny fifidianan’ny voafonja
Ho fitandroana ny fandriampahalemana, ny vata mangarahara androtsaham-bato no manatona ny voafonja tsy very zo. Efa mipetraka ny paik’ady hiatrehan’ny CENI izany amin’ny andron’ny latsabato, raha ny voalazan’ny Filohan’ny CENI hatrany. Rehefa voaheloka ka very zo, tsy afaka mifidy. Midika izany fa hisy solontenan’ny mpirotsaka ho fidiana miaraka amin’ny mpanara-maso fifidianana izay hatevenin’ny mpitandro filaminana sy ny mpiandry fonja ihany koa hiditra anaty fonja mandritra ny fandatsaham-baton’ireo mpiandry fitsarana any am-ponja.
9 675 145 amin’ny 13 500 000, no anaty lisitra mpifidy
Hatramin’izao mbola tsy voavaly mazava ilay fanontaniana nalaza tamin’ny haino aman-jery : “O ry vahoaka e, o ry vahoaka e, firy isika izao?”. Raha ny vinavina, mananika ny 27 000 000 ny teratany Malagasy eto Madagasikara. Fepetra napetraky ny mpiara-miombon’antoka amin’ny tany demokratika fa ny an-tsasamanila no ahiditra anaty lisim-pifidianana, izany hoe ny 13 500 000. Izay no nahatonga an’io isa io ho tanjon’ny CENI. Ity Vaomieram-pifidianana ity anefa mihevitra fa ho tratra ny tanjona. Mbola maro ny karine eny anivon’ny fokontany sy ny kaominina no mbola tsy tonga eny anivon’ny distrika, noho ny haratsian’ny lalana sy ny rivo-doza. Esty andaniny, taorian’ny faran’ny volana Janoary teo izay nijanonan’ny mpanisa mitety tokatrano, mbola afaka manohy hatrany ny fisoratana anarana any amin’ny Fokontany ireo olompirenena manan-jo sy andraikitra hifidy.
Antananarivo no farany
Avy eto Antananarivo mandrakariva no manomboka ny rivotra politika sy ny hetsi-bahoaka. Eto Andrenivohitra koa no anisan’ny betsaka mpifidy indrindra. Raha ny filaharana isam-paritany dia izy no farany. 65,45% ho azy. Anisan’ny tafiditra anatin’ny distrika 10 farany indrindra ny ditrikan’Antananarivo VI , sy IV ary II. Voalaza moa fa ny tsy fahatratraran’ny mpanisa mpifidy an-trano , noho ny asa no nahatonga izany raha ny fandiniky ny ekipan’ny CENI, nandritra ny fanadihadiana manokana notanterahan’ny mpanao gazetinay. Ny Faritan’ny Mahajanga no loha laharana amin’ny fidirana anaty lisitry ny mpifidy, arahin’Antsiranana, Toliary, Fianarantsoa, Toamasina. Voalaza moa fa ny distrikan’ny Beroroha (46,84%)no farany indrindra ary Tana II no eo alohan’ny farany (53,60%).
Haja Nirina

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930