Madatopinfo

 Flash Info

KAOMININA ANDRAMASINA: Mandray anjara mavitrika amin’ny fambolen-kazo ny Vondrona Axian

KAOMININA ANDRAMASINA: Mandray anjara mavitrika amin’ny fambolen-kazo ny Vondrona Axian

KAOMININA ANDRAMASINA: Mandray anjara mavitrika amin’ny fambolen-kazo ny Vondrona Axian
décembre 10
05:30 2020

Loza mitatao, misy fiatraikany ratsy mivantana amin’ny andavanandron’ny malagasy ny fahasimban’ny tontolo iainana ateraky ny loto, ny setroka, ary indrindra ny fandripahana ny ala. Ka iray amin’ireo sehatra 4 iadidian’ny Fondation Axian ny lafiny ara-tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Ho fampiharana io sehatra io, nanatanteraka fambolen-kazo tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Andramasina ny fianakaviamben’ny Vovonana ACT – Axian Communities Team ny herinandro lasa teo. Izany no natao dia ho fampiroboroboana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ho fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ao an-toerana. Hioty vokatsoa maro tokoa mantsy ireo mponin’Andramasina satria tantsaha manodidina ny 30 ao aminy no mpiara-miombon’antoka sy mpisitraka tombotsoa amin’izany. Araka ny fampitam-baovao, ambolena amin’ny taniny ny voly ary izy ireo ihany no hisitraka mivantana ny vokatra avy eo. Fantatra fa karazan-javamaniry miisa 17 samy hafa avokoa no ambolena amin’izany, ohatra amin’ireo ny hazo fihinam-boa toy ny paiso sy ny paoma, eo ihany koa ny ravintsara izay manome loharanom-bola mivantana ho an’ny mpisitraka. Ireo hazo novolena ireo araka izany dia hanampy betsaka ny fidiram-bolan’ireo mponina.
Tsiahivina fa nanatontosa fanaovan-tsonia fiaraha-miasa ny orinasa Bôndy sy ny Fondation Axian amin’ny fanatanterahana fambolen-kazo ao amin’ny Kaominina Andramasina amin’ny tany mirefy 24 hektara. Ny ACT – Axian Communities Team kosa dia ireo mpirotsaka an-tsitrapo miisa 150 eo anivon’ireo orinasa 15 an’ny Vondrona Axian eto Madagasikara. Mandritra ny 5 taona mantsy dia hazo miisa 25.000 no hovolena miampy ny fanaraha-maso hentitra ireo zava-maniry voavoly. Azo antoka araka izany fa hitondra fiovana ho an’ny mpiray tanindrazana tokoa izao hetsika ACT ao anatin’ny Vondrona Axian izao indrindra ny eo amin’ny lafiny tontolo iainana.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930