Madatopinfo

 Flash Info

«CLEAN UP DAY KOPAKELATRA»: Tavoahangy plastika mihoatra ny 400 kilao no voaangona

«CLEAN UP DAY KOPAKELATRA»: Tavoahangy plastika mihoatra ny 400 kilao no voaangona

«CLEAN UP DAY KOPAKELATRA»: Tavoahangy plastika mihoatra ny 400 kilao no voaangona
septembre 21
07:30 2020

‘Ndao hifandray tanana, hitandro ny fahadiovana no teny filamatra nentin’ny Kopakelatra an’ny Star nanamarihana ilay hetsika antsoina hoe : «Clean Up Day». Teto Antananarivo no nanatanterahana izany ny sabotsy 19 septambra lasa teo nanomboka tamin’ny 10 ora maraina. Nandritra izany, nisy ny fanentanana sy fandrisihana ny olona hanangona tavoahangy na fako plastika tamin’izay toerana rehetra nolalovan’ny « Caravane Clean Up Day Kopakelatra » izay nahitana baka fanangonana. Tao Ambohimanarina no niandohan’ny hetsika, avy eo nihazo ny 67Ha ary nofaranana tao Ampefiloha ny tolakandro. Tamin’ireo toerana telo ireo, nahatratra 50 mahery no nandray anjara ary nilanja 412 kilao kosa ny tavoahangy plastika voavory nandritra io sabotsy io. Ho an’ireo ireo izay nahangona betsaka indrindra isaky ny toerana nijanonan’ny « caravane » kosa dia nahazo « bon d’achat » mitentina 100.000 ariary.

« Ny olona rehetra manana tavoahangy plastika efa tsy ampiasaina intsony dia aterina eny amin’ny baka fanangonana izay efa napetraky ny Kopakelatra amin’ny toerana maromaro eto Antananarivo. Tamin’io sabotsy io kosa ny Kopakelatra indray no nitondra ny baka fanangonana hanatona ny olona », hoy i Seheno Randriambolamanana, mpiandraikitra ny serasera eo anivon’ny Star. Tratra araka izany ny tanjona tamin’ity hetsika iray nokarakarin’ny Kopakelatra ity ary ampirisihana hatrany ny olona tsirairay tsy hanary ny fako plastika eny rehetra eny hikajiana ny tontolo iainana.

Mickah

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930