Madatopinfo

 Flash Info

HAZOVATO FORELLO EXPO TANJOMBATO : « Nahomby ny FIM andiany faha-17 », hoy ny mpikarakara

HAZOVATO FORELLO EXPO TANJOMBATO : « Nahomby ny FIM andiany faha-17 », hoy ny mpikarakara

HAZOVATO FORELLO EXPO TANJOMBATO : « Nahomby ny FIM andiany faha-17 », hoy ny mpikarakara
mai 15
11:07 2023

Andro 4 no nivondronan’ireo orinasa sy mpandraharaha ara-toekarena teny amin’ny Hazovato Expo Tanjombato, nandritra ny hetsika iraisampirenena FIM na Foire Internationale de Madagascar ny alakamisy 11 ka hatramin’ny alahady 14 Mey. Miisa 260 ny mpandray anjara ary tranoheva manodidina ny 360 no hita nandritra izany. Tamin’ity andiany faha-17 ity, niompana momba ny tontolo iainana ny FIM izay entina handresen-dahatra ny mpitsidika ny fiarovana ny zavaboary.
« Fahombiazana no azo hamehezana ny FIM 2023 satria namaly antso ny mpitsidika sy ny mpanjifa, afa-po avokoa na ny mpikarakara na ihany koa ireo mpisehatra rehetra sy ny mpandray anjara hampiroboroana ny sehatra ara-toekarena eto amintsika, sy hanomezan-danja ny fandraharahana », hoy ny mpikarakara, Harilala Ramanantsoa.
Nampiavaka ity FIM andiany faha-17 ity ihany koa ny fandraisana anjaran’ireo tanora malagasy maherin’ny 50, nanana toerana manokana izy ireo nahafahana nampiranty ny fahaiza-manaony sy ny vokatra namboariny. Tsy diso anjara tamin’ny fandraisana anjara tamin’ity hetsika ity ihany koa ny vehivavy malagasy mpandraharaha manerana ny Faritra 14.
Tosika lehibe ho an’ny mpandraharaha malagasy, varavarana ho an’ny famatsiam-bola ny FIM, fanalahidy fitadiavana lalam-barotra ihany koa ny hetsika indrindra eo amin’ny sehatra iraisampirenena.
Tratra ny tanjona tamin’ity andiany faha-17 ny FIM ity, mampanantena ny mpikarakara fa tsy ho latsan-danja ny hetsika manaraka toy ny FIA na Foire Internationale de l’Agriculture izay kasaina hotanterahana amin’ny volana septambra 2023.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930