Madatopinfo

 Flash Info

IVONTOERANA KINTANA AMBATOMENA: Afaka mandray marary miisa 10 manomboka izao

IVONTOERANA KINTANA AMBATOMENA: Afaka mandray marary miisa 10 manomboka izao

IVONTOERANA KINTANA AMBATOMENA: Afaka mandray marary miisa 10 manomboka izao
juin 23
07:16 2020

Laharam-pahamehana ho an’ny Fondation Akbaraly ny olona marefo nandritra izay 12 taona izay indrindra ny fitsinjovana ny reny sy ny zaza. Isan’izany ny fikarakarana ny vehivavy voan’ny homamiadana, ny lafiny tsy fahampian-tsakafo, eo ihany koa ny fandraisana marary hafa. Any Mahajanga sy Fianarantsoa sy Mahajanga no efa misy izany raha ny eto Madagasikara manokana. Hahazo tombony ihany koa isika eto Antananarivo satria nitombo iray indray izany Ivontoerana izany, notokanana tamin’ny fomba ofisialy omaly alatsinainy 22 Jona teny Ambatomena mantsy ny « Ivontoerana Kintana » izay naorin’ny Fondation Akbaraly. Araka ny fampahafantarana, ahafahana mandray marary miisa 10 ity toerana ity ary ankoatra ny mpandrindran’ny Ivontoerana, dia misy ihany koa ny dokotera, mpitsabo mpanampy, teknisianina izay mikirakira ny fitaovana rehetra ao. « Natokana handraisana ireo olona voasokajy ho marary mafin’ny valanaretina coronavirus ihany aloha ny Ivontoerana Kintana amin’izao vanim-potoana misy eto Madagasikara izao ary misokatra tsy tapaka 24 ora amin’ny 24 ora, 7 andro amin’ny 7 andro izany », hoy ny fanazavana nentin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Fondation Akbaraly, Cimino Francesco.
Miandry ny fanapahan-kevitra sy ny toromarika rehetra avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka kosa araka izany ny olona marary mafin’ity valanaretina ity na ny atao hoe « cas graves » vao entina eny amin’ny Ivontoerana Kintana. « Rehefa tapitra kosa ny covid-19 dia miverina amin’ny laoniny ny laharam-pahamehan’ny Fondation Akbaraly. Ny any Fianarantsoa sy Mahajanga kosa tsy miova fa manohy sy manatanteraka ny asan’ny Fondation hatrany », hoy ny fanampim-panazavana voaray hatrany. Ny Ivontoerana Kintana moa raha ny hita teny an-toerana dia fotodrafitrasa ahitana fitaovana maro isan’ny raitra tokoa sy manaraka ny fenitra ara-pahasalamana toy ny fameloman’aina, ny fitaovana eo amin’ny lafiny taovam-pisefoana, eo ihany koa ny « groupe électrogène » raha sendra misy tampoka ny fahatapaha-jiro sy ny fitaovana maro hafa. Raha ny any Toamasina kosa dia fantatra fa efa nandefa fitaovana tany an-toerana ny Fondation Akbaraly ny volana Mai lasa teo.
Ankoatra ny ekipan’ny Fondation Akbaraly eto Madagasikara sy ny vahiny manan-kaja maro, tonga nanotrona io fotoam-pitokanana io Ivontoerana Kintana Ambatomena io ihany koa ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, Profesora Solofomalala Gaëtan Duval sy ny Tale Kabinetra izay nosolontena ny Ministra Ahmad Ahmad.

M.T.I

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930