Madatopinfo

 Flash Info

TSENABEN’NY FIZAHANTANY: Hotanterahana ny 31 martsa ka hatramin’ny 2 aprily ny andiany fahadimy

TSENABEN’NY FIZAHANTANY: Hotanterahana ny 31 martsa ka hatramin’ny 2 aprily ny andiany fahadimy

TSENABEN’NY FIZAHANTANY: Hotanterahana ny 31 martsa ka hatramin’ny 2 aprily ny andiany fahadimy
mars 25
02:42 2022

Tafiditra tanteraka ao anaty tondrozotran’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny Fizahantany ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Ampinga iray hahatongavana amin’izany fisian’ny « Tsenaben’ny Fizahantany ». Araka ny fampahafantarana nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny tolakandron’ny alakamisy martsa teo teny Tsimbazaza, hotanterahana eny amin’ny Gara Soarano ny alakamisy 31 martsa ka hatramin’ny sabotsy 2 aprily ho avy izao ny andiany fahadimy amin’ny Tsenaben’ny Fizahantany. Hetsika izay karakarain’ny ministeran’ny Fizahantany sy ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany na ONTM. « Fotoana iray ahafantaran’ny mpanjifa ireo toeram-pizahantany manerana ny Nosy sy ireo tolotra mifanentana amin’ny filàna sy ny sokajin-taona izay aroson’ireo mpandray anjara amin’ity hetsika ity. Entina ampirisihana ny malagasy sy teratany vahiny hizaha an’i Madagasikara ihany koa izany, sady efa misokatra rahateo ny sisintany », hoy ny Talen’ny kabinetra ministeran’ny Fizahantany, Dina Rasoanaivo. Tahaka ny mahazatra ahafantarana ny Tsenaben’ny Fizahantany hatramin’izay, tsy hisy ny vidim-pidirana ary hahazo fahafaham-po tanteraka ny mpanjifan’ny noho ny fisian’ny tolotra marobe mifanaraka amin’ny rehetra.

Hisy fihenam-bidy

Mampiavaka ny Tsenaben’ny Fizahantany hatramin’izay ny fisian’ny fihenam-bidy ho an’ireo mpanjifa misitraka ny tolotra mandritra ny hetsika. Amin’ity andiany fahadimy ity mantsy, manodidina ny 10 ka hatramin’ny 25 isan-jato mahery ny fihenam-bidy atolotr’ireo mpisehatra mandray anjara. « Amin’ity Tsenaben’ny Fizahantany andiany fahadimy ity, maherin’ny 6.000 ireo mpitsidika andrasana. Isan’ireo handray anjara mandritra izany ireo mpikarakara dia (tour opérateur) miisa 18 ; misy ihany koa tranoheva fampahafantarana ireo trano fandraisam-bahiny manodidina ny 12, tsy latsa-danja koa ireo toerana fialamboly sy ny tranoheva natokana ho an’ireo Ofisim-paritry ny fizahantany (ORT) hitondra ny tolotra, ary koa ahitana tranoheva ho an’ireo mpisera dia sy hetsika ho an’ny tanora» , hoy ny Tale mpanatanteraka eo anivon’ny ONTM, Darafify Ralaivao. Ankoatra izay, hisy varotra mifandraika amin’ny fizahantany tahaka ny asa tanana malagasy, ny fitsaboana natoraly sy ny maro hafa ao an-toerana mandritra ny hetsika. Hampiavaka ity Tsenaben’ny Fizahantany ity ihany koa ny atrikasa handinihana mikasika ny fanamorana ny fivezivezin’ny mpizahantany manerana ny lafivalon’ny Nosy. Tsy afa-misaraka amin’ny tontolon’ny fizahan-tany moa ny sakafo, noho izany misy trano fisakafoana mandray anjara amin’ny hetsika izay hikarakara nahandro malagasy, sy ny fanandraman-tsakafo ny sabotsy tolakandro. Sehatra iray ampihaonana ireo mpandraharaha matihanina ara-pizahantany ny Tsenaben’ny Fizahantany ary koa ahafahana manangona ireo atontan-kevitra rehetra momba ny toerana mahazatra ny mpanjifa, ny sokajin-taona, ny faharetan’ny fialan-tsasatra sy ny hafa, hoy hatrany ity tompon’andraikitry ny ONTM ity. Tsiahivina moa, fa tamin’ny taona 2020 no nanombohana ny Tsenaben’ny Fizahantany, nivoatra hatrany izany nandritra ireo andiany teo aloha ka izao hiditra amin’ny adiany fahadimy izao izay hampiroboroboana ny fizahantany anatiny.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930